Fanafihana tsy tontosa! Lavon’ny balan’ny polisy ny jiolahy iray tetsy amin’ny tsenan’ Andravoahangy, afakomaly. Telo lahy nikasa hanafika trano fivarotana nifanenjehan’ ny mpitandro filaminana teny Andravoahangy, afakomaly. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy sy antsy ireo olon-dratsy ireo, ny atoandron’ny alatsinainy teo. Niditra amin’ny faritry ny tsena izy telo […]
Taratra
TSELATRA
Mihanaka hatrany amin’ny kaominina Ambatry, distrikan’i Betioky Atsimo, ilay biby tsy fantatra mihinana biby fiompy, toy ny ondry aman’osy hatramin’ny omby. Lasibatra indray ny ondry roa, maty notsihifin’ilay biby ny rany ary loaka hatramin’ny tendan’ireo biby fiompy. Manoloana ny firongatry ny herisetra samihafa manerana ny Nosy, nanomboka omaly, tao amin’ny […]
Miray tendro amin’ny dahalo: Ben’ny Tanàna, maty voatifitra
Lavon’ny balan’ny zandary teny am-pitsoahana tao Bemanonga, omaly, ny ben’ny Tanàna iray ao amin’ny distrikan’ i Belo sur Tsiribihina, sy ny dahalo iray namany. Voalaza fa mpiray tendro amin’ny dahalo sady mpamatsy fitaovam-piadiana izy. Tratran’ny Jamà, karamain’ny fokonolona miasa ao Tsimafana, tao Ankaraobato, kaominina ambanivohitr’i Tsimafana ny dahalo raindahiny amin’ny […]
“Can 2023” : Tompondaka ny Elefantan’i Côte d’Ivoire
Taorian’ny nandrombahan’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra (Can 2023), nomen’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf) azy ireo, ny lelavola 6,4 tapitrisa euros, ankoatra ny amboara sy ny medaly volamena. Tsiahivina fa nifarana ny alahady lasa teo, tao amin’ny kianja Alasane Ouattara, ny andiany faha-34. Lavon’ny Elefanta, tamin’ny isa […]
SOMBIM-BAOVAO
Hatao any Kazan Russie, ny 21 hatramin’ny 29 febroary izao ny fifaninanana iraisam-pirenena “Phygital Basketball”, taraja basikety. Malagasy mpilalao efa-dahy no hisonlotena an’i Madagasikara, ahitana an’i Rick-Ley, Marco, Bila ary i Ibrahim Aziz, izay mitondra ny anarana “Antananarivo”. Tsara fanombohana ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny, amin’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League, […]