Nisy ny fihaonana teo amin’ Andriantsitohaina Naina, minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany, sy i Claire Pierangelo, masoivohon’i Etazonia, ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny famelomana indray ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta eo amin’ny fiarovana ny tany sy fanavaozana ny fananan-tany no votoatin-dresaka tamin’izany. “Be kajikajy politika loatra […]
Taratra
Fiatrehana fifidianana: miantso ny olom-pirenena hifidy ny FFKM
Miantso ny olom-pirenena hanatona ny biraom-pokontany ny FFKM ary hanamarina ny rejisitra, raha voasoratra ny anaran’ny tena sy ny ankohonana na tsia. Araka ny antso nosoniavin’ny filoham-piangonana efatra, ny 5 febroary lasa teo izany. Notsiahivin’izy ireo fa araka ny hafatry ny komity foibe faha-45 tany Fianarantsoa, ny 28-30 novambra 2023, […]
Mila miara-miasa…
Efa am-perinasa tanteraka ny fahefana mpanatanteraka amin’izao? Mandeha ny fidinana ifotony: fijerena ny olan’ny vahoaka, famahana olana. Miara-dalana amin’izany ny fampandrosoana mivantana; eny, na eo aza ny lafiny politika tsy maintsy atrehina: fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, fifidianana depiote. Mila fandaminana be eo anivon’ny antoko politika izany. Na izany […]
Fifidianana: ny 29 mey ny depiote, ny 6 novambra ny kaominaly
Namoaka ny volavolana tetiandrom-pifidianana ny Ceni, omaly, teny Alarobia. Ny 29 mey ny fifidianana solombavambahoaka ary ny 6 novambra ny ben’ny Tanàna. “Ny 29 mey ny fifidianana solombavambahoaka, ny 6 novambra ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina kaominaly na monisipaly”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, omaly, […]
TSELATRA
Inspektera eo anivon’ny polisim-pirenena miisa 219 nahatontosa fianianana tetsy amin’ny fitsarana Ambaratonga voalohany Anosy, omaly. Misahana manokana ny famotorana ny fandikan-dalàna izy ireo. Hiroso amin’ny asa avy hatrany izy ireo taorian’io lanonam-pitsarana io. Nalain’ny dahalo avokoa ny nofon’omby rehetra ary nariany teny an-dalana ny toalany ka hitan’ny fokonolona tao Antamboho […]