Taratra

Varo-maizina: roa lahy nahatrarana sokatra 24 sy rongony 10 gony

Zana-tsokatra ahina ho lany tamingana miisa 24 sy rongony 10 gony indray saron’ny zandary tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana, tao Betioky-Atsimo, ny 12 janoary teo. Roa lahy voasambotra. Karazan-tsokatra fantatra amin’ny anarana siantifika “Astrochelys Radia­tas” tra-tehaky ny zandarimaria teny amin’ny lalam-pirenena fahafolo, tao Andohasatra, kaominina Tameantsoa, distrika Betioky Atsimo, ny […]

Tapaka ny RN6: taterina amin’ny vedety ny olona any Mahavavy

Tapaka ny lalam-pirenena faha-6, eo amin’ny reniranon’i Mahavavy, vokatry ny rivodoza Dikeledi. Ny fiara kely ihany koa no afaka miampita eo amin’ny tetezana any Manambery, RN5. Tototry ny rano ny fivilian-dalana vonjimaika miampita ny reniranon’i Mahavavy amin’ny lalam-pirenena faha-6, vokatry ny rivodoza Dikeledi. Tapaka ny fifamoivoizana ho an’ny fiara rehetra, […]

Fanafihana mitam-piadiana lavareny: roa lahy mpianatry ny oniversite maty sy naratra voatifitra

Tsy mety fongana ny asan-jiolahy ao Toamasina. Maty sy naratra voatifitra ny tovolahy roa, mpianatra ao amin’ ny oniversiten’i Barikadimy. Misy milaza fa jiolahy izy ireo. Misy kosa ny manamafy ny mifanohitra amin’izany. Lasibatry ny jiolahy ny tsena iray, mpivarotra kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro tao Toamasiana, afakomaly. «Ni­sy tovolahy […]

Taksiborosy nivadika: olona 17 naratra mafy

Nitrangana lozam-piarakodia, taksiborosy iray hafa koa, teny amin’ny RN 4, PK 299+800, tao Ambodimanga/Beanana distrika Maevatanàna, ny sabotsy tolakandro teo. Taksiborosy hihazo an’Antsiranana ity niharan-doza ity vokatry ny fifandonana tamina fiara 4×4 iray teo ambony tetezana. Nilatsaka tany ambany tetezana ilay taksiborosy taorian’izay. Tandrevaka teo amin’ny mpamily, araka izany, no […]

Depiote Rakotondrasoa Fetra: “Tsy resy lahatra amin’ny fanakorontanana ny vahoaka”

Naneho ny heviny momba ny toe-draharaham-pirenena ny depiote Rakotoarisoa Fetra. Tsy resy lahatra amin’ny fanakorontanana ny vahoaka, araka ny nambarany. «Tsy tokony holalaovina hoe : «izahay te hiditra, fa ianareo no manakana». Fa ny tena marina, ny vahoaka malagasy no tsy resy lahatra intsony amin’izany asa fanakorontanana atao eto amin’ny firenena izany». […]