Lehilahy iray hita faty nananton-tena tamin’ny tady tao amin’ny fokontany Betsiraha, kaominina ambanivohitra Lopary, distrikan’i Vangaindrano, afakomaly. Nentin’ny hamamoana; nifamaly tamin’ny rainy izy ka nodorany ny trano. Nifampitadiavan’ny fianakaviany io lehilahy io saingy tsy hita raha tsy tamin’ny 11 ora alina. Nihantona tamin’ny tady teo ambony hazo tao Antranombazaha izy. […]
Taratra
Marovoay : dahalo roa lahy maty voatifitra
Nanaovan’ny fokonolona sy ny zandary hazalambo, lavo ny dahalo roa lahy ikoizana amin’ny fanafihana mitam-piadiana, tao amin’ny kaominina Ankaraobato, distrikan’i Marovoay, ny 9 febroary teo. Nikononkonona hanafika toy ny fanaony indray ireo dahalo ireo. Naharay loharanom-baovao marim-pototra ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana ka namolavola paikady. Nigadona tao amin’ny tanànan’i […]
Famoizam-po : vehivavy maty nananton-tena
Marary hitsabo tena hita faty nihantona tamin’ny tady tao Ambalamanasy Carreau I, Toamasina, omaly atoandro. Nijanona irery tao an-trano io vehivavy io vokatry ny aretina an-doha mahazo azy matetika. Mponina avy any Sandrakatsy, Mananara Avaratra izy mianaka ireo. Nentin’ny reniny tao Toamasina izy hitsabo tena. Nigadona tao amin’ny renivohitr’Atsinanana ireto […]
Fifamaliana namoa-doza: nifamono, niara-maty izy mivady
Niafara tamin’ny ra mandriaka ny fifamalian’ny mpivady tao Vangaindrano, afakomaly. Niara-maty ilay rangahy sy ramatoa vadiny. Renim-pianakaviana iray 27 taona sy rangahy vadiny 50 taona niara-maty tao an-trano fonenany, tao amin’ny fokontany Vohimena, distrikan’i Vangaindrano, ny sabotsy 10 febroary teo. Nisy olana nitarika ny tsy fifankahazoana teo amin’izy mivady, tamin’ny […]
“Pureplay Foot-ball League” : tsy hitsanga-menatra ny Inate FC Rouge
Hotanterahina anio sy rahampitso ny andro voalohany ho an’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Foot-ball League (PFL)”, taranja baolina kitra. Anisan’ireo klioba vao niakatra teo amin’ity fifanintsanana ity ny Inate FC Rouge Vakinankaratra. “Tsy hitsanga-menatra ny Inate FC Rouge amin’ity PFL ity”, hoy Rakotondramiara Hasina, filohan’ny klioba, omaly, teny Ambohimanambola. Tanjona ho azy […]