Taratra

Basikety 3X3: laharana fahadimy aty Afrika ny Ankoay

Namoaka ny filaharan’ireo firenena, eo amin’ny taranja basikety, ny Federasiona iraisam-pirenen’ny basikety (Fi­ba), omaly. Amin’ny ankapobeny, mitana ny laharana fahadimy aty Afrika ny Ankoay ary laharana faha-52 maneran-tany. Ho an’ny aty Afrika, ao aorian’i Bénin, Algérie, Ouganda, Burkina Faso ary Afrika Atsimo i Madagasikara. Nosongonan’i Bénin sy Afrika Atsimo, araka […]

Taksiborosy tra-doza: olona roa maty tsy tra-drano, maro ny naratra

Olona telo matin’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena roa samihafa nandritra ny faran’ny herinandro. Loza izay matetika mitranga noho ny fandehanana mafy sy ny tsy fitandreman’ny mpamily. Vehivavy sy lehilahy niara-maty nateraky ny lozam-piarakodia tao Mampiherika Ambohitrarivo, Ambatondrazaka, afakomaly tamin’ny 11 ora maraina. Ni­kasa hihazo an’Antanambe io fiara mpitatitr’olona io. Ni­vadika, […]

Fanafihana tao Ambohiboatavo: telo mianaka maty nozerana vatobe

Nitrangana fanafihana mi­tam-piadiana namoizana ain’ olona tao Ambohiboatavo, kaominina ambanivohitr’ Am­pitatsimo, distrikan’ Ambaton­drazaka, omaly maraina tamin’ny 9 ora. Vokany, olona telo indray maty. Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, mpanampy iray saika hanome sakafom-borona no nahita ilay renim-pianakaviana nitsotra amin’ny tany, nihosin-dra voatsindry vatobe ny lohany. Niantso ny fokonolona […]

Basikety- Taom-pilalaovana 2025: hodinihina mandritra ny fivoriambe

Araka ny vaovao voaray omaly, tamin’ireo mpampita vaovao eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB), hisy ny fivoriambe ara-potoana hataon’ izy ireo, ny 18 janoary ho avy izao, etsy Mahamasina. Tanjona amin’ity fivoriana ity ny hanaovana ny tatitra amin’ireo ligy ny ezaka efa vita sy ny handaminana ny fandaharam-potoan’ ny taom-pilalaovana […]

Fibatana fonjamby: nahazo sazy henjana i Roilya

Navoakan’ny gazety maorisianina, ny faran’ny taona 2024, fa nahazo sazy henjana ilay Malagasy mizaka ny zom-pire­nena maorisianina, mpibata fonjamby, Ranaivosoa Roilya. Nosazin’ny Federasiona iraisam-pirenena, tsy mahazo mandray anjara amin’ny fifaninanana ao Maurice sy amin’ny sehatra iraisam-pirenena hatramin’ny taona 2026 ny tovovavy. Nihatra nanomboka ny 24 mey 2023 izany. Anton’izao sazy […]