Taratra

Nifatraran’ny kamiao: nosokirina tanaty fiara ilay mpamily taxi

Avotra soa aman-tsara saingy naratra ny mpamily fiara karetsaka nifatraran’ny kamiao tetsy Ankadikely-Ilafy, ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata 17 desambra teo. Potika tanteraka ilay taxi. Nifampisokiran’ny mpamonjy voina tao anatin’ny fiara fitadiavam-bolany ny mpamily fiara karetsaka iray teny Manjaka, kaominina Ankadikely Ilafy, ny alin’ny alatsinainy 16 desambra tamin’ny 12 […]

Mariboninahitry ny kanto : Nasongadina Randrianaivoravelona

Andrarezina ka mendrika. Nisy ny lanonanana manokana, nentina nanasongadinana sy nanomezam-boninahitra an-dRandrianaivoravelona, ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe. Nampiakarina eo amin’ny laharan’ny “Com­mandeur” izy, ho an’ny mariboninahitry ny kanto, ny soratra ary ny kolontsaina. Tonga manokana tany an-toerana, nanolotra izany, ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrasoava Fetra. […]

Nisandoka ho zandary : Tratra ireo jiolahy nitifitra olona teo amin’ny lohany

Natolotra ny fampanoavana ka naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ireo jiolahy enina voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanafihana narahina vonoan’olona tao Analalava. Ny alin’ny 31 jolay 2024, nisy jiolahy roa nanao fanamiana zandary nitondra basy vita tanana iray tonga tao amin’ny fokontany Andavaravina, kaominina sy ditrikan’Analalava. Rehefa tonga tao ireo olona ireo, […]

Badminton – «Mada jeune»: Nisongadina ny CBFJ sy ny MB2 All

Notanterahina teny amin’ny Kianja mitafo ANS Ampe­filo­ha, ny sabotsy 14 sy ny alahady 15 desambra lasa teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara taranja badminton, ho an’ny sokajy zandriny. Nisongadina tamin’ny fandrombahana ny amboara ny MB2 All sy ny CBFJ Ambohitrimanjaka, izay samy avy amin’ny ligin’Analamanga. Samy nahazo anaram-boninahitra roa avy […]

SOMBIM-BAOVAO

Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ny klioban’ny Fosa Juniors FC Boeny. Resin’izy ireo, 2 no ho 1, ny TFFC Boeny, ny alahady lasa teo, tany Mahajanga. Tsiahivina fa ity no fifanandrinana miverina ho an’ny roa tonta, amin’ity fifanintsanam-pirenena”Pureplay Football League (PFL)”. Mety hisy moa ny fanovana ny rafi-pifanintsanana amin’ny PFL. […]