Taratra

Safidy: “Ambany hatrany ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy”

“Mbola ambany hatrany ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy tany amin’ireo biraom-pifidianana narahin’ny Safidy maso. Eny, na niakatra aza izany ampitahaina amin’ny fifidianana kaominaly 2019”. Io ny fanambaran’ ny Sam­pana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), notarihin’ny mpitondra teniny, Razanamahefa Désirée Marie Stella, teny Ambatonakanga, afakomaly, momba ny fizotran’ny fifidianana kaominaly […]

TARATRY ny KANTO

Samy manana ny kolontsainy ny Malagasy. Io fahasamihafana io, mbola nampian’ny kolontsaina nentin’ ny vahiny… Azo veroka amin’izany ny mety ho « endriky ny kolontsaina » malagasy ankehitriny. Na izany aza, « ao anaty ra ny kolontsaina », hoy ny mpandinika sasany. Izany hoe, sarotra ny manala azy tsy ho lova avy amin’ ny […]

Nahatarafana ny seho ho an’ny taona 2025 : nafana ny fiarahan’i Erick Manana sy i Dama

Notanterahina tao amin’ny CCEsca Antanimena, ny faran’ ny herinandro teo, ilay seho an-tsehatra niarahan’i Erick Manana sy i Dama. Na tsy hipoka aza ny efitrano, tsapa hatrany ilay hafanana nampifamatotra azy mirahalahy sy ny mpijery teny an-toerana. Nasongadin’ny fizarana tsirairay izany. Na, i Erick Manana sy ny gitarany, na i […]

Mahamasina : nihaona tamin’ny mpankafy i Goulam

Tontosa tetsy amin’ny Kianjan’ny fanatanjahantena Maha­masina, ny sabotsy teo, ny fampisehoana nataon’i Goulam, mpanakanto kaomorianina, tonga nanatanteraka seho eto Madagasikara. Nihemotra tamin’ny 6 ora hariva ny fanombohan’ny fampisehoana, raha toa ka tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ny fotoana nifanomezana. Tsy niala fa teo hatrany ireo mpankafy tonga namaly ny […]

Kaonseritra teny Ivato : nampihetsi-po ny fihaonan’i Anisha Jo tamin’ny mpanatrika

Fampisehoana nahasarika ny mpankafy maro ny nataon’i Anisha Jo, omaly. Seho feno fitiavana sy fihetseham-po tanteraka. Tontosa tetsy amin’ny CCI Ivato, omaly tolakandro, ny kaonseritra lehibe nataon’i Anisha Jo. Fi­haonana voalohany tamin’ny mpankafy azy teto Madaga­sikara, taorian’ny nandrombahany ny fandresena tamin’ny fifaninanana « Star Academy 2022 ». Fotoana iray io nanolorany seho […]