Taratra

VAOVAO TAMBATRA

Niverina ny delestazy amin’ny atoandro, nanomboka omaly. Maharitra adiny 2 ora ny fahatapahan-jiro mifandimby hatramin’ny 5 ora hariva, ankoatra ny amin’ny 10 ora alina mandra-maraina. Antony, simba ny milina roa, an’ny Aksaf, eny Ambohimanambola sy ny milina iray, an’ny Afripower, eny Mandoseza. Kely koa ny haavon’ny rano ao Andekaleka. Miantso […]

FMFP : hanatsara ny fahaiza-manaon’ny mpiasa

Tao anatin’ny dimy taona ni­siany, maherin’ny 54 miliara Ar ny famatsiam-bola natolotry ny tahiry Famatsiam-bola mala­gasy ho fampiofanana ny mpiasa (FMFP), ho fanofa­nana ireo mpiasa. Maherin’ny 100 000 ireo nisitraka ny tetikasa. « Mamatsy vola miten­tina 14 tapitrisa euros ireo mpiara-miombon’antoky ny FMFP, toy ny Agence fran­çaise de développement (AFD) sy ny […]

zotra Emirates : ho indimy isan-kerinandro

Mitsinjo sahady ny vanim-potoana mahabetsaka mpizahatany ny kaompania Emirates. Hitombo ho indimy isan-kerinandro ny zotra mivantana mampitohy an’i Dubaï sy Antanana­rivo, mandalo Seychelles, raha inefatra, ankehitriny. Haharitra 4 herinandro izany, hanomboka ny 13 desambra 2024 hatramin’ny 10 janoary 2025. Isaky ny zoma ny zotra vaovao hataon’ ny fiaramanidina EK707 sy […]

Fizahantany : fanoitra amin’ny fampandrosoana

Sehatra fahatelo anisan’ny mampidi-bola vahiny eto Madagasikara, ny fizahantany. Aorian’ny harena an-kibon’ny tany sy ny entana aondrana any ivelany izy. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny Tse­naben’ny fizahantany sy ny asa tanana. Haharitra telo andro izany, etsy amin’ny Kianjan’i Barea. Tonga teny an-toerana nitsidika ny ranty ny filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina […]

INDRAY MIJERY

Tohin’ilay tolotrasa handraisana mpiasa mankany Canada, efa mandeha eto Antananarivo, amin’izao fotoana izao, ny “entretien” ho an’ireo olona voasivana ka nahazo fiantsoana. Tonga eto amintsika ireo tompona orinasa avy any Canada miresaka mivantana amin’ireo kandidà. Ny HR Pro no tompon’antoka amin’ny fikarakarana ity fandraisana mpiasa ho any Canada ity. Ny […]