Taratra

Feno habibiana : vehivavy hita faty nihosin-dra novonoim-badiny

Nampihoron-koditra! Maty novonoim-badiny tamin’ny fomba feno habibiana ny renim-pianakaviana iray tao Ambato­haranana, fokontany Tsarata­nana, kaominina ambanivo­hitr’Andrakata, distrikan’An­dapa, ny 15 novambra 2024. Nahazo antso avy amin’ny lefitry ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Andrakatra, ny zandary momba ny fisiana fatim-behivavy hita ao an-tranony ao amin’io tanàna io. Nidina haingana teny an-toerana nahitana ny […]

Nidoboka am-ponja eny Antanimora : tratra ireo mpanondrana olona mankany Chine

Ravan’ny zandary ny tambajotra mpandefa olona antsokosoko mankany Chine. Notanana vonjimaika any am-ponja ireo voasaringotra. Efatra mianadahy voasaringotra amin’ny raha­raha fanondranan’olona mihazo an’i Sina niara-voa­tana vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny zoma 15 novambra teo. Naharay ha­fatra miafina avy tamina olona any Sina nilaza ny fi­siana tambajotra matanjaka mivarotr’ olona an-kolaka […]

“FIBA 3×3 AFRICA CUP” : halefan’ny Canal+ manontolo ao amin’ny GS TV

Higadona afaka roa herinandro ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3, hatao eto Madagasikara. Nampahafantarin’ny Canal+ Madagascar, omaly, ny fanokafan’izy ireo ny “GS Tv, chaîne 202”, izay handefa manontolo ireo lalao mandritra ity “Fiba 3×3 Africa Cup” ity. Afaka hanaraka mivantana ireo lalao rehetra ny firenena 16 aty Afrika […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny vaovao voaray omaly, nahemotra amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra ny famaranan’ny fifaninanana baolina kitra, “Grand Tournoi Antananarivo (GTA)”. Tsiahivina fa ny ekipan’ny Cosfa Miaramila sy ny CFFA Andoharanofotsy no hanao famaranana sy hiady ilay lelavola 20 tapitrisa Ariary amin’izany. Hiatrika ny lalao farany amin’ity ady tapakila hiatrehana ny […]