Hatramin’ny taona 2019, nahavita sidina maherin’ny 6 000, nandrakotra 550 000 km ireo drône mpanatitra fanafody any ambanivohitra sy any amin’ireo toerana saro-dalana. Nahafahana nitondra kojakoja ara-pahasalamana fototra milanja 10,100 kg manerana ny distrika 21 sy faritra 5 izany. Ireo fitaterana natao ireo dia nahafahana nanome vaksiny ho an’ny zaza sy […]
Taratra
Oniversiten’Antananarivo: 60 taona ny sampam-piofanana momba ny toekarena
Namoaka manampahaizana maro sy tomponandraikitra ambony misahana ny raharaham-panjakana ny sampam-piofanana tao anatin’ny taona maro momba ny toekarena ny eny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo, izay feno 60 taona ankehitriny. Manamarika ny faha-60 taona niorenany ny sampam-pianarana momba ny toekarena ao amin’ ny fakiolten’ny toekarena, fitantanana ary ny sosiolojia eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, […]
TARATRY ny KANTO
Hotontosaina, anio, ny “Tsangantsaigny” any Ambatoharanana, Ambilobe. Hetsika ara-kolontsaina sy ara-pomba anisan’ny lehibe indrindra any an-toerana izy ity. Efa nafindra avy any Antsaravibe nihazo an’Ampisikina ny “hazomanjaka”, omaly. Efa vory lanona any an-toerana ihany koa ireo zanak’Ankarabe rehetra hanatontosa ity fotoan-dehibe ity. Manentana ny Malagasy rehetra hanohana an’i Filamatra Matokia. […]
Tarika ‘Zay: mivonona hanoratra ny tohin’ny tantarany
Roa andro mialoha ilay seho goavana. Nanambara ny mpikarakara, omaly, fa ny karazana tapakila “Résa bronze” sisa no mbola misy vitsy, amin’ilay fampisehoan’ny tarika ‘Zay, ny alahady 16 novambra izao, etsy amin’ny Lapan’ ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Ny azo antoka dia tsy midila ny androany intsony dia ho […]
“World Poetry Slam Championship 2024”: Hiatrika ny manasa-dalana, anio, i Konahy Jr
Anisan’ny fotoan-dehibe ho an’ny “World Poetry Slam Championship” ny anio. Efa vonona tanteraka ny solontena malagasy hiatrika izany. Tanterahina anio ny dingana manasa-dalana amin’ny “World Poetry Slam Championship”, andiany fahatelo, atao ao an-drenivohitr’i Togo. Firenena 25 no tafita amin’izany dingana izany ary anisan’izany i Madagasikara amin’ny alalan’ Andrianahy Bastino na […]




