Matin’ny fitsaram-bahoaka ny lehilahy iray tao amin’ny fokontany Ambodiaramy, kaominina ambanivohitr’i Tsivangiana, distrikan’i Vatomandry, omaly tamin’ny 9 ora sy 30 mn. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanapoizinana ankizy 6 taona ity lehilahy ity ka antony nahatonga ireo fokonolona tao an-toerana nanao fitsaram-bahoaka. Nahazo antso avy amina olona iray ny zandary avy […]
Taratra
Norobain’ny roa lahy nisaroN-tava : mpianatry ny CEG voafira antsy
Ankizivavy 14 taona, mpianatry ny CEG Sahavoay, niharan’ny herisetra nataona roa lahy tao Mandritsara, afakomaly. Nirava avy nianatra hamonjy fodiana, nandeha irery io ankizy io. Nanatona azy ny roa lahy nisaron-tava. Nandroba ny kitapo teny amin’ilay ankizivavy tao Ambohimahavelona. Nitondra zava-maranitra ireo mpandroba ka naratra ny tanan’ilay lasibatra. Niantso vonjy […]
Lakana nihotsahan’ny tany: olona 16 niara-maty
Niara-maty ny olona 16 mianadahy, afakomaly alina, tao Tsarahotana. Nihotsahan’ny tany tampoka ny lakam-by nitondra azy ireo raha naka sisin-drano, saika hampidina mpandeha. Niampatrampatra ny faty! Niara-namoy ny ainy ny vehivavy sivy sy lehilahy fito ny alin’ny talata lasa teo. Naka sisin-drano saika hampidina ny mpandeha teo am-pahatongavana, tany Tsarahontana, […]
Fitsaharan’ny ady lehibe voalohany : notsaroana ireo miaramila malagasy lavo am-perinasa
Nanamarika ny fahatsiarovana ny datin’ny 11 novambra 1918 izay nitsaharan’ny ady lehibe voalohany ny fanomezam-boninahitra ireo maherifo teny amin’ny Tsangambato Anjely mainty Anosy, ny alatsinainy 11 novambra 2024 teo. Notononina manokana ny anaran’ireo miaramila malagasy lavo am-perinasa nandritra ny taona 2024, izay nahatratra 17. Nitarika ity fotoam-pahatsiarovana ity ny minisitry […]
Ambohidratrimo : fasana efatra vaky, very ny taolam-paty
Mirongatra ny vaky fasana sy halatra taolam-paty ankehitriny. Nitrangana vaky fasana efatra indray tany amin’ny fokontany Antsahamaina, kaominina Antanetibe Mahazaza, distrika’Ambohidratrimo, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany, ireo razana sy ny taolam-paty am-polony tao amin’ireo fasana. Nahatsikaritra fasana vaky teny an-toerana ny olona sendra nandalo, afakomaly. […]




