Taratra

TSELATRA

Notanana am-ponja ireo roa lahy tratra nanao diplaoma bakalorea hosoka tao Fianarantsoa, afakomaly. Mpiasam-panjakana misotro ronono ny iray. Naha­trarana fitomboka maromaro misy ny anaran’ny tomponandraikitry ny Oniversite ao an-toerana teny amin’izy ireo. Kamiao iray nizara telo niharan’ny lozam-pifamoivoizana tany amin’ny lalam-pirenena faharoa, miala ny tanànan’i Moramanga, omaly. Nivoaka ny arabe […]

Adiny iray ny fifampitifirana : jiolahy telo lavon’ny polisin’ny Fip, roa lahy tratra

Nirefodrefotra ny basy tao Analamalotra Toamasina, omaly tamin’ny 10 ora maraina. Naharitra adiny iray ny fi­fampi­tifirana teo amin’ny jiolahy sy ny polisin’ny Fip, notarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules, nanao fanenjika manerana ny tampon-tanànan’i Toa­masina. Dimy lahy nirongo fitaovam-piadiana ireto olon-dratsy nikasa hanafika mpandraharaha ireto. Avy naka vola tamina banky iray tao […]

Herinandro tsy hita… : taolam-paty sisa ilay tovovavy

Taolana niaraka tamin’ny akanjony sisa no nahafantarana ny tovovavy iray tsy hita nanomboka ny 30 oktobra 2024. Nahazo antso ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Fandriana fa misy taolam-paty hita miparitaka ao anaty ala kesika avaratry ny tanàn’Antanama­hasoa, fokontany Sahanisotro, kaominina ambanivohitr’i Mi­arinavaratra, distrikan’i Fandriana, afakomaly maraina. Ni­dina […]

By-pass: mpitondra moto namoy ny ainy

Nasosan’ny moto tampoka. Nikarapoka tamin’ny arabe ny raim-pianakaviana iray. Maty tsy tra-drano. Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray teny amin’ny lalan’i By-pass, omaly tamin’ ny 11 ora. Raim-pianakaviana iray manodidina ny 50 taona namoy ny ainy. Nitondra moto, avy any amin’ny tobin-dasantsy izy. Nikasa hihazo ny lalan’ny Domaine. Nandalo tsy lavitra teo, […]

Fiahiana ara-tsosialy : “Sambany izao vao tsara tantana ny Cnaps” hoy Rajoelina Andry

Miroso mankany amin’ny niomerika ihany koa ny fiahina ara-tsosialy eto Madagasikara ankehitriny. Hitondra voka­tsoa maro izao firosoana any amin’ny niomerika izao ary hanala fahasahiranana ho an’ireo mpisitraka izany. «Sambany vao tsara tantana ny Cnaps ary manana am­bim-bava izy ireo amin’izao», hoy ny filoham-pirenena Ra­joelina Andry. Nivoitra izany nandritra ny lanonana […]