Nitondra ny heviny manoloana izao hiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna izao ny eo anivon’ny antoko Teza. Manahy izy ireo fa ho sarotra ho an’ny mpanohitra ny fitantanana eto an-dRenivohitra na ho voafidy aza. “Mety ho voafidy ny mpanohitra, fa tsy hahavita na inona na inona”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha […]
Taratra
VAOVAO TAMBATRA
Niverina nihazo an’i Paris, omaly, ilay fiaramadina AF 934 an’ny kaompania Air France, raha tokony ho nigadona teto Antananarivo tamin’ny alina. Mbola tsy fantatra ny anton’ny zava-misy saingy andrasana ny vaovao mahakasika izany. Tsiahivina fa niainga tao amin’ny seranam-piaramanidinna Charles de Gaulle, omaly tamin’ny 11ora latsaka fahefany, ora any Paris, […]
Fanondranana jirofo : miisa 108 ireo nahazo fahazoan-dalana
Mitotaly 108 ireo mpandraharaha nahafeno fepetra sy nahazo fahazoan-dalana (agrément) hanondrana jirofo, ho amin’ny taom-panondranana 2024-2025, araka ny lisitra navoakan’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic). Hita tao anatin’izay fa miisa 38 ireo tafiditra ao anatin’ny sokajy indostria raha toa ka 70 kosa ireo voasokajy ho « artisan ». Manankery […]
Fampiasana angovo azo havaozina : vehivavy 15 nisitraka fampiofanana
Taorian’ny fampiofanana momba ny fandraharahana, nanaraka fiofanana momba ny fikirakirana ny fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro (photovoltaïque) ireo vehivavy 15 isa avy eto amin’ny faritra Analamanga sy Atsimo Andrefana. Ankehitriny, afaka manangana sy mikojakoja ireo fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy mampiroborobo ny fidiram-bolan’ny orinasa tantaniny izy 15 mirahavavy. […]
Fampiroboroboana ny fampiasam-bola: hiara-hiasa ny EDBM sy ny CEO Summit
Vita sonia ny zoma teo, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim) sy ny Agence BeCom ary ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM), ho an’ny fikarakarana ny hetsika voalohan’ny CEO Summit eto Madagasikara. Tanterahina eto Antananarivo, ny 5 sy 6 desambra, ny fihaonana antampony CEO Summit. Manodidina […]




