Taratra

Beparasy Ankazondandy: « Mbola miriaria any ny mpanimba ny ala », hoy ny fokonolona

Misaotra ny tompon’andraikitry ny fitsarana rehetra ny fokonolona ifotony any amin’ny kaominina  Beparasy Ankazondandy, distrika Moramanga, namoaka ny didim-pitsarana, nivoaka ny 18 novambra teo, nanameloka ireo olona voamarina fa namono nahafaty ny filohan’ny VOI Mialo, Rakotoarisoa Henri, ny 2 jona 2022. Isaoran’izy ireo koa ny firaisamonim-pirenena AVG, niantoka ny mpisolovava, […]

WWF: mananika ny 70% ny fanjavonan’ireo bibidia

Manjavona tsikelikely vokatry ny fahapotehan’ny tontolo iainana ny 70%-n’ny bibidia maneran-tany nanomboka ny taona 1970 araka ny tatitra planeta velona 2022 avy amin’ny WWF.  « Mitaky ezaka avy amin’ny tsirairay indrindra avy amin’ireo vondron’olona ifotony ny fiarovana ireo biby ireo », araka ny nambaran’ny talen’ny WWF eto Madagasikara, Nanie Ratsifandrihamanana omaly. Mila […]

 “3400 miliara ariary ny vola nampidirina, taona 2022”

Mampidi-bola ho an’ny fanjakana ny fadintseranana, ohatra, tamin’ny  tetibola farany ho an‘ny 2022 ho 3000 miliara ariary ny vola ampidirina, hita anefa izao mihoatra io tanjona tratrarina io ny vola miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana, dia nampiana 3400 miliara ariary tamin’ny fanitsiana ny tetibola 2022. Hita izao fa ho tratra izany raha […]

Miandrivazo: andalam-pahavitana ny biraon’ny Bam

Nidina tany Miandrivazo ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena voajanahary (MMRS), Rakotomalala Herindrainy Olivier, ny faran’ny herinandro teo. Anton-diany ny fanaraha-maso ny fanorenana ny biraon’ny fitantanan-draharahan’ny harena an-kibon’ny tany (Bam) any Ampanasana Miandrivazo. Ao anatin’ny vinan’ny filoham-pirenena rahateo ny “fanjakana manakaiky vahoaka”. Paikady mamaha ny olan’ny mpisehatra […]

Fadintseranana aty Afrika ESA: handray fanapahan-kevitra hoentina any amin’ny OMD

Mandray ny fivorian’ny sampana iray ao amin’ny Fiombonambe iraisam-pirenena ny fadintseranana (OMD), aty Atsinanana sy Atsimon’i Afrika ary ny ranomasimbe Indianina (ESA) i Madagasikara, omaly hatramin’ny 25 novambra 2022 eto Antananarivo. Voalohany izao Madagasikara mandray izany fivoriana iraisam-pirenena izany. Mpikambana ao amin’ny OMD i Madagasikara hatramin’izay , manana rantsan-mangaika telo […]