Taratra

Asan-jiolahy: lehilahy maty voavely “bois rond”, iray hafa naratra mafy

Nikasa hihazo ny trano fenenany, nifanehatra tamin’ny jiolahy ka maty voavely hazo be ny raim-pianakaviana iray ny herinandro lasa teo. Mitady hahazo vahana ny tsy fandri­­am-pahalemana ao amin’ny distrikan’i Betafo. Ny asabotsy lasa teo, mpianaka roalahy hamonjy fodiana any Ambatonikolahy no lasibatry ny asan-jiolahy. Samy voavely “bois rond” izy mianaka […]

Foaran’Atsimo Atsinanana: hiantsoana ny mpampiasa vola

Hotontosaina manomboka anio 25 novambra ka hatra­min’ny 27 novambra 2022 ny foara ara-toekarena ny faritra Atsimo Atsinanana, any Fara­fangana. Nanazava ny atao rehetra mandritra io fotoana io ny Sekretera jeneralin’ny faritra, Atoa Rajaobelina Gérard sy Rtoa Razafitianamalala Muriel, filohan’ny EFOI* Atsimo Atsinanana. Tanjona ny fampahafantarana ny vokatra misy any amin’ […]

Fambolena: hanome 20,20 tapitrisa dolara ny BAD

Faritra 20 amin’izao no heverin’ny minisiteran’ny Fambolena sy fiompiana hampiana ny tantsaha amin’ny masomboly sy zezika. Izany no atao dia noho ny sondro-bidy amin’ireo akora fototra ireo. Ao anatin’ny fikarakarana ny minisitera amin’izao fotoana izao amin’ny fanangonana masomboly sy zezika. Tantsaha 2000 no hampiana, izay misy sokajiny avy ireo, koa […]

Rakotondrainibe Herivelo: “Ampy tsara ny tahirin-drano ambanin’ny tany any Manombo Toliara”

Notsipihin-dRakotondrainibe Herivelo, manam-pahaizana amin’ny rano (hydrologue), fa fototry ny fiveloman’ny mponina ny fifehezana ny rano manoloana izao fiovan’ny toetr’andro izao. Nosinganiny fa ampy tsara ny tahirin-drano any amin’ny faritra niasan’ny Base Toliara, araka ny fanadihadiana nataony. Manam-pahaizana amin’ny rano Rako­tondrainibe Heri­velo. Aminy, ilaina ny fametrahana drafitrasa mazava amin’ny sehatry ny […]