Taratra

Vola 3 tapitrisa Ar voaroba : Ramatoa voatifitra teo amin’ny lohany

Renim-pianakaviana 53 taona maty voatifitry ny jiolahy omaly. Mpamongady entana plastika ao Bazarikely ity lavo ity. Manjaka ny asan-jiolahy mitam-piadiana hatrany amin’ny faritra Atsi­nanana. Renim-pianakaviana iray indray no lavon’ny tifitry ny olon-dratsy tsy lavitry ny Bazary kely Toamasina, oma­ly hariva tamin’ny 6 ora. Jio­lahy roa nitam-basy, nanafika teo amin’ny mpivarotra […]

Ampahefa-dalan’ny GTA : hidona ny Avenir Ste Anne sy ny AS Fanalamanga

Tontosa omaly, teny An­doharanofotsy, ny fivoriana mahakasika ny tohin’ny fifaninanana “Grand Tournoi An­tananarivo (GTA)”. Tapaka ary fa hatao ny sabotsy sy alahady ho avy izao, etsy amin’ ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny ampahefa-dalan’ny fifanintsanana. Anisan’ireo fifanandrinana tena andrasan’ny maro, ny lalao hihaonan’ny AS Fanalamanga sy ny Avenir Ste Anne. Fihaonana […]

SOMBIM-BAOVAO

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny Kianja mitafo Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra anaty efi-trano «Futsal 2024». Tsara fanombohana ny ekipan’ny Tac Pro Kids, U13, sy ny CUA ,U15.Tsiahivina fa misy lalao ihany koa eny Ankorondrano. Voahosotra ho tompondakan’ny “Tournoi Intercall”, andiany faharoa, taranja […]

Volley-U23 : tsara fanombohana ny GNVB

Hiditra amin’ny andro fahatelo, anio, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, ho an’ny sokajy latsaky ny 23 taona, lahy sy vavy. Fifaninanana nanomboka ny 27 oktobra teo ary hitohy hatramin’ny 3 novambra izao, any Fianarantsoa, tohanan’ny Telma Madagascar. Ho an’ny ekipan’ny GNVB, manana solontena avokoa ny sokajy lahy sy […]