Taratra

SOMBIM-BAOVAO

Tsy afaka milalao i Sony Laiton, mpiandry tsatoby an’ny Barea de M/car, amin’ny andro fahadimy hikatrohana amin’i Tunisie sy ny andro fahenina hifan­donana amin’i Comores. Noho ny karatra mavo indroa azony nandritra ny fihaonana teo aloha ny anton’izany. Mety hisolo ny toerany izany, i Teva na i Nina. Taorian’ny fahavitan’ny […]

Karting : hiditra amin’ny dingana fahefatra

Hotanterahina ny alahady 20 oktobra ho avy izao, eny amin’ny “circuit international” Imerintsiatosika ny dingana fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena amin’ny karting «4è Grand Prix de Mada 2024». Fifaninanana, karakarain’ny klioba Serana Racing Kart. Misokatra ho an’ireo mpifaninana rehetra manana ny kara-pilalaovana karting FSAM, voamarin’ny federasiona sy ireo mpanamory […]

Basikety – Road to ball: hidona amin’i Tanzanie anio ny ekipan’ny zandary

Hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny Road to ball, taranja basikety, manomboka anio ny Gendarmerie Nationale Basket-ball Club (GNBC). Hidona amin’i Tanzanie, mpampiantrano ny mpilalaon’ny zandary, eo amin’ny fanombo­han’ity fifaninanana afrikanina ity. Hanomboka amin’ity alakamisy ity, ao amin’ny kianja mitafon’i Dar-Es-Salam ao Tanzanie ny Road to ball, taranja basikety. Dingana voalohany amin’ny […]

INDRAY MIJERY

4 mianadahy ireo Fulbright English Teaching Assistants (Etas) tonga eto Madagasikara. Manampy ireo tanora amerikanina vao nahavita ny fianarany tamin’ny ambaratonga ambony na koa ireo vao miditra amin’ny sehatry ny asa fampianarana ny Etas. Mandritra ny sivy volana no hanatontosany izany amin’ny sekoly sy oniversite samihafa maneran-tany. Miara-miasa amin’ireo mpampianatra […]

CHU Anosiala: nitombo ny tahan’ny olona tapaka lalandra

Nisongadina ny fiakaran’ny tahan’ny olona tratran’ny fahatapahana lalandra na AVC tamin’ny volana septambra, tao amin’ny CHU Ano­siala, araka voalazan’ny tompondraikitra . Mihamaro ihany koa ny tanora tratry ny aretina. Tsy tokony hovarimbariana na mangataka andro lava, araka izany, ireo manana tosidra avo. Ilaina ny fanatonana do­kotera sy manaraka ny toromarika […]