Taratra

Mpandroba Cash point: jiolahy manao fanamiana miaramila voasambotra

Tratra ihany! Nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny CSP7 ny jiolahy mpanafika amina Cash point tetsy Andranovao Ambohimangakely, ny alahady teo. Malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana ireo mpitsinjara vola amin’ny alalan’ny finday nanerana ny renivohitra, natao hazalambo ity jiolahy ity. Naharay angom-baovao ny polisy avy etsy 67 ha ka tonga teny […]

Fisafoana  ataon’ny polisy: olona 3 tratra namaky trano

Manomboka manatanteraka asa fisafoana eny amin’ny elakela-trano ny polisim-pirenena amin’izao. Tanterahin’izy ireo izany rehefa manomboka maizina ny andro. Vokany, nifanehatra tamina olona telo avy namaky trano izy ireo tamin’izany, tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Nahitana lehilahy roa sy vehivavy iray, izay nitranga teo amin’ny lalankely hiditra an’Antaninandro mivoaka Ampandrana […]

Toliara: lehilahy iray maty notapahin-doha

 Mirongatra izay tsy izy ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny faritra atsimo andrefana. Tovolahy iray no hita faty tamin’ny fomba feno habibiana tao Antanimeva, distrikan’i Morombe, afakomaly. Notapahin-doha izy ary noentin’ireo jiolahy nanaraka azy izany, hoy ny loharanom-baovao iray. Ankona ny rehetra raha nahita ity habibibana mahatsiravina ity. Niteraka resa-be teo […]

Noloarana ny kibony: ankizivavikely 10 taona sady naolana no novonoina

Ankizivavikely vao 10 taona monja no maty tamin’ny fomba feno habibiana tao Andranoboaky, distrik’Ambohimahasoa, afakomaly. Sady naolana no novonoina izy. Habibiana mahatsiravina ny natao an’ity ankizivavikely vao 10 taona monja tao Andranoboaky, fokontany Andohanisahatona, distrikan’Ambohimahasoa, faritra Matsiatra ambony ity. Naolana izy no mbola novonoina ihany koa. Afakomaly antoandro, nirahin’ny reniny […]