Taratra

Depiote Rakotondrasoa Fetra: “Tsy resy lahatra amin’ny fanakorontanana ny vahoaka”

Naneho ny heviny momba ny toe-draharaham-pirenena ny depiote Rakotoarisoa Fetra. Tsy resy lahatra amin’ny fanakorontanana ny vahoaka, araka ny nambarany. «Tsy tokony holalaovina hoe : «izahay te hiditra, fa ianareo no manakana». Fa ny tena marina, ny vahoaka malagasy no tsy resy lahatra intsony amin’izany asa fanakorontanana atao eto amin’ny firenena izany». […]

Vaovao tambatra

16,2 miliara Ar no nentin’ny tetikasa Fihariana nanohanana ireo mpandraharaha manerana ny Nosy, ny taona 2024. Mbola hitohy ny fanohanana ara-bola sy ara-teknika azy ireo amin’ny fananganana orinasa amin’ ity taona 2025 ity. Nahafahana nanakaiky ny mpandraharaha tokoa ny taona 2024. Mbola tsy nahavonto tany ny filatsahan’ny orana hatramin’ny sabotsy […]

Fieferamanga Arivonimamo: zana-kazo miisa 1 800 nambolena

Velaran-tany 53ha no nambolen’ny minisiteran’ny Toe­karena sy ny fitantanam-bola zana-kazo “érables” sy “frênes” ny zoma teo, tany Fieferamanga Arivonimamo. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fambolen-kazo tanterahin’ny fitondram-panjakana nanomboka ny 16 desambra 2024 izany. Tanjona ny handrakofana ala ny toerana tafiditra ao anatin’ny tetikasa filamatry ny fitondram-panjakana « Ankohonana miarina ». Eo koa ny […]

Toekarena manga: mpanjono maherin’ny 500 nisitraka fampitaovana

Vata fanodinana trondro lena ho lasa trondro saly na « fumoir » miisa 11 sy « tracteur frigorifique » no natolotry ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, sy ny minisitry ny Rano sy ny fidiovana, Andria­mamelasoa Lalaina, ireo mpanjono maherin’ny 500 tao amin’ny kaominina Maroalo­mainty, distrika Ambovombe, faritra Androy, omaly. […]

Fambolena ho an’ny taona 2025: hampitomboina 1 tapitrisa taonina ny famokarana vary akotry

Vina apetraky ny fitondram-panjakana ny hampiroborobo ny sehatra voalohany. Maherin’ny 7,8% ny taham-piakarana andrasana ka ho maherin’ny 9,5% ny sehatry ny fambolena amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny famokarana vary akotry hatrany amin’ny 1 tapitrisa taonina. Entina hanatanterahana izany ny fampirobo­ro­boana ny teknika « PFUMVUDZA » izay mita­hiry hamandoan’ny tany. Ho ampiasaina eto […]