Taratra

Fanadihadiana parlemantera : “Tsy ho afa-maina izay nanao ny tsy mety tao amin’ny Jirama”

Nihaona tamin’ny tomponandraikitry ny Jirama ny vaomieran’ny fanadihadiana parlemantera eo anivon’ny Anterinimierampirenena momba ny Jirama, omaly. ”Tsy ho afa-maina izay nanao ny tsy mety”, hoy ny filohan’ny vaomiera nandritra izany. Tsy nitsitsy, hentitra… ny tenin’ny filohan’ny vaomieran’ny fanadihadiana parlemantera eo anivon’ny Ante­nimierampirenena mom­ba ny Jirama, ny depiote Ra­ko­toniaina Pety, teny […]

Fikambanana Akamasoa : Ahitana ivontoeram-panofanana teknika roa

Nitsidika ny ivontoeram-panofanana Mahatsara, tamin’ ity herinandro ity, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Dr Andriamampandry Todisoa sy ireo mpiara-miasa aminy. Nia­rahana tamin’ny mompera Pedro Pablo Opeka, filoha mpanorina ny fikambanana Akamasoa izany. Nahazo fankatoavana ara-panjakana avy amin’ny minisiteran’ny Fam­pia­­narana teknika sy ny fanofanana arakasa ity ivontoeram-panofanana […]

Fondation Axian sy ny Kozama: Nanokatra sekoly eny Imerintsiatosika

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia teo, ny EPP Mandrosoa ao Imerintsiatosika. Fiaraha-miasan’ny Fondation Axian sy ny fikambanana Kozama ary ireo manampahefana sy mponina ao amin’ny kaominina Imerintsiatosika no nahavitan’ny asa. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Sekoly Yas izy ity. Efitrano fianarana telo sy trano fivoahana no natsangana, izay manome toeram-pianarana […]

Ady amin’ny Mpox : Nentanina ny lehiben’ny fokontany sy ny mpitsabo nentim-paharazana

Notanterahina nandritra ny roa andro ny atrikasa fanentanana sy fampahafantarana momba ny Mpox ho an’ireo lehiben’ny fokontany sy ireo mpitsabo nentim-paharazana avy amin’ny boriborintany enina eto Antananarivo, tamin’ity herinandro ity. Tanjona tamin’izany ny ha­namafisana ny fandraisana anjaran’ireo mpisehatra eny ifotony amin’ ny fisorohana sy ny ady amin’ ny fiparitahan’ny valanaretina. […]

Ambalakisoa Toamasina: Jiolahy telo maty voatifitry ny polisy

Nirefodrefotra indray ny basy tao amin’ny fokontany Ambalakisoa, Toamasina, omaly alina. Nahatsikaritra zatovo maromaro, miisa enina, mirongo fitaovam-piadiana ny fokonolona any an-toerana. Nampandrenesina avy hatrany ny polisy sy ny zandary taorian’izay. Nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao fanaraha-maso ireto farany vantany vao nahazo antso. Tratra ireo jiolahy ary raikitra […]