Taratra

Namono mpianaka : dahalo lavon’ny zandary

Voasambotry ny zandary miasa ao amin’ny fokontany Iorimbato, kaominina ambanivohitr’i Beravina, distrikan’i Morafenobe, ny sabotsy teo, ny dahalo raindahiny, tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona feno habibiana. Renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny zanany vao menavava no maty novonoin’ity malaso ity, ny faran’ny septambra teo. Tamin’ny fotoana nitondrana azy no nitaraina ho narary kibo ity […]

Bazaribe – Toamasina : renim-pianakaviana iray matin’ny hanoanana

Raha tsy matin’ny jiolahy dia matin’ny hanoanana! Izany ny zava-misy iainan’ny mponina ao an-dRenivohitry ny faritra Atsinanana (Toa­masina) amin’izao fotoana izao. Renim-pianakaviana iray tokony ho 45 taona, sahirana ara-pivelomana, no maty vokatry ny fianjerana tampoka teo amin’ny arabe tao Ba­zaribe Ampasimazava Toa­masina, omaly. Voalazan’ireo olona mahafantatra azy, tsy misy mpiahy […]

Ankorondrano : kamiao nifandona tamin’ny 4×4

Niteraka fitohanan’ny fifamoivizana ny fifandonana teo amin’ny kamiao sy fiara tsy mataho-dalana an’ny orinasana tambajotram-pifandraisana iray tetsy Ankorondrano, omaly tolakandro. Niditra ny fihodinana (rond-point) mihazo ny lalamby, voafaokan’ilay kamiao teo amin’ny valahany ilay fiara tsy mataho-dalana. Tsy fantatra mazava ny antony nampisy ny fifandonana. Niditra an-tsehatra avy hatrany tamin’ny fandaminana […]

Ora efatra ny fifampitifirana: mpaka an-keriny fito mianadahy maty

Niampatrampatra ny faty! Mpaka an-keriny fito mianadahy no lavon’ny balan’ny zandary sy ny Tafika. Avotra ny takalonaina. Basy Mas 36 iray niampy basim-borona efatra no tratra. Naharitra ora efatra ny fifampitifirana teo amin’ ny zandary niaraka tamin’ny Tafika, andaniny sy ny mpaka an-keriny, ankilany tany Anosimanjaka, Ambolo­tarakely. Ny alin’ny alahady […]

«Concert Héritage»: niara-nankafy ny rehetra

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampisehoana fampahafantarana ny “Héritage”, niarahana tamin’i Dadju sy Tayc sy ireo mpandresin’ny fifaninanana “Tremplin héritage”, nahitana an’i Ismael sy Bab’s ary Yvaniat. Hipoka mpankafy an’ireto mpanakanto vahiny ireto ny kianja ary tafiditra ho anisan’ireo seho tsara kalitao iny fampahafantarana […]