Voasaringotra ho miray tendro amin’ny asan-jiolahy ao Toamasina ny zandary telo lahy am-perinasa any an-toerana. Voasambotry ny polisin’ny Fip ny zoma teo ka natolotra ny fampanoavana ny alatsinainy teo izy ireo. Miara-miasa sy mpamatsy basy ny jiolahy manao ny asa ratsy ao Toamasina ireto zandary telo vaosambotra ireto, raha ny […]
Taratra
FANTINA sy FINTINA
Notokanana omaly ny foiben’ny kandidà Ravalomanana Tojo etsy Ambohimanarina. Nambarany tamin’izany fa fanokafana fotsiny ihany izao natao izao. “Mbola hiverina izahay fa nandalo fotsiny ihany aloha androany. Afaka mandalo eto amin’ity foibe ity avokoa isika mifampiresaka”, hoy izy. Tsiahivina fa nanao diabe izy ireo tamin’izany. Nifanakalo hevitra sy nametraka paikady […]
Ady amin’ny kolikoly : hatao “digitalisation” ny sora-piankohonana
Nanao atrikasa ho fampiroboroboana ny Paikadim-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly (SNLCC) ny eo anivon’ny Komitin’ny fahitsiana (CSI) sy ny avy amin’ny Samifin, omaly, tetsy Antanimena. Niatrika izany koa ny eo anivon’ny Pac sy ny Arai ary ny Bianco, notronin’ny minisiteran’ny Paositra sy ny fampandrosoana niomerika. Niompanan’ny atrikasa hitohy, anio, ny fametrahana […]
Tantaram-pirenena : nisy ny hetsika nanamarihana ny 14 oktobra 1958
Tsy nanadino ny fetin’ny Repoblika Malagasy ny fitondram-panjakana. Nisy ny hetsika teny Andafiavaratra, omaly. Fampirantiana sary, famelaberalan-kevitra, fotoam-pivavahana no nanamarihana ny faha-66 taona nijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara, 14 oktobra 1958-2024, omaly. Teny amin’ny Lapan’Andafiavaratra no nikarakaran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina izany. Nambaran’ny minisitra Mara Volamiranty Donna fa “raha olona tsy […]
Tsy ahitana vokatsoa
Nahavelombolo ny fahafahan’i Madagasikara nisehatra amin’ny kianjaben’izao tontolo izao, ankehitriny. Tena nahasodoka ny ezaka vita tamin’ny raharaham-bahiny. Nihazakazaka ny fifanarahana ara-bola sy ny tontolon’ny fandraharahana. Betsaka ny vonona hampiasa vola sy hizara ny fahaiza-manaony. Nahakasika sehatra sy sokajin’olona maro izany. Ny vokatra sisa andrasana! Milofo fatratra mitady izay azo […]




