Nikisaka miankandrefana somary atsimo andrefana ilay rivodoza Dikeledi ka mahafaka 25 km isan’ora. Any an-dranomasina avokoa ny rahom-baratra mifandray mivantana aminy. Hiverina hitoetra ny oram-baratra, nanomboka omaly tolakandro, ka mety hanantombo ny rotsakorana amin’ny faritra avaratra andrefana. Hikorontana hatrany ny toetry ny andro an-dranomasina any amin’ny morontsiraka avaratra sy afovoany […]
Taratra
Fiahiana ny maha olona: misy misandoka ny tetikasa “Tsimbina”
Mila mailo ny rehetra satria misy ny mpisoloky manararaotra ny fahasahiranan’ny mponina. Misy mivarotra “puce” fampiasa amin’ny finday izay tsy ara-dalàna amin’ny vidiny 2000 Ar ka milaza fa izay mividy izany “puce“ izany dia hahazo ilay tohana amin’ny tetikasa “Tsimbina”. “Fisolokiana izany”, hoy ny minisitry ny ny Mponina, Razafinjato Aurélie. […]
CHRD Ambalavao: nampiasaina ny Tahirim-pirenena vonjy taitra
Nampiasain’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Tahirim-pirenena vonjy taitra (fonds d’urgence) taorian’ny lozam-pifamoivoizana tao amin’ny kaominina Iarintsena, hameaux Ambaiboho, Fianarantsoa, ny faran’ny herinandro teo. Ny tolakandro no nitranga ny loza ka 12 ireo naratra mafy, noraisina maimaimpoana tamin’ny alalan’ny “kit d’urgence” tao amin’ny CHRD Ambalavao. 18 hafa notsaboina teny an-toerana nampiasana ny […]
Karate any France: nandrombaka medaly alimo i Nombana
Nisongadina indray ny Malagasy tany France. Nandrombaka ny medaly alimo nandritra ny fifanintsanana Karate, tany Paris, ny sabotsy lasa teo, Raveloarison Nombana, Malagasy mpikatroka, ao amin’ny klioba Shoshin Club Vannes France, sokajy seniors, -67 kg. Araka ny fanadihadiana natao taminy, ny katroka ady “kumite” ihany no natao tamin’io fifanintsanana io. […]
“Lalaon’ny CJSOI 2025”: taranja vaovao hifaninanana ny Beach soccer
Araka ny efa fantatra, hampiantrano ny andiany faha-13 amin’ny lalaon’ny Vaomieran’ny tanora sy ny fanatanjahantena aty amin’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI 2025) i Seychelles. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny 28 jolay ka hatramin’ny 10 aogositra izany. Fifaninanana natokana ho an’ny tanora 14 ka hatramin’ny 17 taona. Fanambin’ny fanjakana seiseloà […]