Taratra

Fanomanana ny “Chan 2024”: nahitana fahombiazana ny fiantsoana mpilalao vaovao

Efa tafiditra anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, tsy misy mpilaravinahitra, ny Barea de Madagascar. Araka ny vaovao voaray, omaly, lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 0 ny ekipa voafantin’i Matsiatra Ambony, tany Fianarantsoa. Nahazo vokatra tsara ny ekipam-pirenena Barea de Ma­dagascar, omaly, tao amin’ny kianja Ampasambazaha […]

Sombim-baovao

Taorian’ny andro nahafantarana fa niverina ao amin’ny klioba Ratchaburi FC Thailand Rakoto­harimalala Njiva, tazana fa tompon-toerana avy hatrany izy afakomaly. Nahita fandresena tamin’ny isa 2 no ho 1, nanoloana ny Uthai Thani, ny klioba misy an’i Njiva, ary 73 minitra ihany ny fe-potoana nilalaovany teny ambony kianja. Nalain’ny klioba Saint […]

Tenisy ambony latabatra: hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika i Madagasikara

Malagasy mpilalao miisa efatra mianadahy, roa lahy sy roa vavy, no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja tenisy ambony latabatra, “Ping pong”, hatao ny 25 janoary hatramin’ny 2 febroary ho avy izao, any Tunis Tunisie. Raha ho an’ny lehilahy, ireo mpilalao milaravinahitra any ivelany, Razafinarivo Antoine […]

Amboaran’i Afrika Aostraly: tafita amin’ny manasa-dalana ny Akomba de Madagascar

Manohy ny diany mankany amin’ny manasa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly, taranja tenisy, sokajy 14 taona, vehivavy, ny Akomba de Madagascar. Ratsy kosa ny vokatra ho an’ny ekipan’olon-tokana. Samy nihintsana teo amin’ny ampahefa-dalana avokoa izy ireo. Nitohy omaly, tao amin’ny Kianja Windhoek Namibie, ny andro faharoa hiadiana ny […]

Taratry ny kanto

Seho an-tsehatra. Nahasarika tanora i Jyeuhair. Teny amin’ny Ony House Ambatobe no nanatanterahiny ny seho an-tsehatra voalohany teto Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo. Tontolon’ny rap no ahafantarana ity mpanakanto manana ny lazany ity. Anisan’ny fitaratra eo amin’izany izy noho ny fananany asa famoronana miavaka. Hanamarika ny faha-20 taonany ny faritany […]