Taratra

Fifidianana filoham-pirenena : Nametraka fepetra ny ONU sy ny UA

Noraisin’ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, tetsy Antaninarenina, afakomaly, ny iraka avy amin’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA), tarihin’i Idris Farah, sy ny solontenan’ny Firenena mikambana (ONU), Parfait Onanga-Anyanga. Nambaran’ireto delegasionina fa hijery sy hanara-maso ny fandrosoan’ny dingan’ny Fanavaozana izy ireo, ahafahan’ny ONU sy ny UA manohana an’i […]

Mila fanazavana ny vahoaka

Nahoraka omaly, tamin’ny fitaovana fampitam-baovao fa misy an’izany andrana na « Essai clinique » mahakasika ny Mpox izany eto Madagasikara. Samy nitondra ny heviny sy ny fomba fiheverany azy ny olona. Tsy eny amin’ny hopitaly ihany fa hatrany anatin’ny fiarahamonina rehetra any dia nametra-panontaniana hoe: Inona indray re ity e? Ny […]

Fikaonandoham-pirenena : Manahy ny amin’ny mety ho seho ivelany ny Gen Z

Nandray ireo solontena’ny komity mpikarakara ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, omaly, teny Mahazoarivo. Nifanakalozana hevitra ny momba ny dingana amin’ny fikaonandoha. Noresahina nandritra izao fihaonana izao ireo asa efa vita sy ny mbola miandry, hatao amin’ny fampidirana ny tanora amin’izao firosoana amin’ny fanavaozana eto amin’ny firenena izao. Manoloana […]

Naratra mafy teo amin’ny lohany: Lehilahy hita faty tetsy Andohatapenaka

Lehilahy iray 29 taona, efa tsy nisy aina intsony, hitan’ny mpanokatra paompy hiasa maraina, tetsy Andohatapena­ka I, afakomaly. Nitsirara tamin’ny tany, tao anaty haizina, lehilahy nanaovan’ny anabaviny ombay mitady tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera sy teny anivon’ny manam-pahefana io namoy ny ainy io. Niala ny trano fonenany ny marain’ny alatsinainy 13 jolay […]

Nahasafotra ankizivavy: Mpivarotra ranomanitra hadihadian’ny polisy

Raim-pianakaviana iray mpivarotra ranomanitra mandehandeha voarohirohy ho nikasa hangalatra ankizy 14 taona tany Toamasina. Nitsangantsangana teny amoron-dranomasina ny ankizivavy roa, ny tolakandron’ny alatsinainy 13 jolay teo. Nanatona azy ireo ny lehilahy izay nivarotra ranomanitra. Navoakany avy anaty kitapony ilay ranomanitra ary nasainy norohan’izy mirahavavy. Safotra anefa ny iray tamin’izy ireo […]