Taratra

Basikety-N1A: nanao pao-droa ny ekipan’ ny GNBC

Nifarana omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A 2024, taranja basikety. Nanao pao-droa ny ekipan’ny Zandary, tamin’ity fifaninanana Elites 8 ity. Samy norombahin’ny GNBC avokoa ny fandresena, teo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy. Raha hiverenana izay vokatra izay, nandresy ny MB2ALL Anala­manga, tamin’ny isa 77 […]

« Tennis Tour Juniors » J-30: norombahin’ny Malagasy avokoa ny amboara rehetra

Nanjakan’ny Malagasy ny dingana faharoa tamin’ny « Tennis Tour Juniors” J-30, ho an’ny sokajy zandriny. Lasantsika avokoa ny amboara rehetra niadiana tamin’izany. Niavaka anefa ny pao-droa vitan’i Mirija, sokajy lehilahy. Nifarana ny sabotsy teo, teny amin’ny Kianja Club Olympique de Tana­narive (COT) Ilafy, ny dingana faharoa amin’ny “Tennis Tour Junior” J-30. […]

Sombim-baovao

Ho fampandrosoana ny fanatanjahantena any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, nisy ny fihaonan’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) tamin’ireo solombavambahoaka avy any amin’iny Faritra iny, ny talata lasa teo, teny Ambohijatovo. Tapaka nandritra izany ny hanamboarana fotodrafitrasa manara-penitra any amin’ireo distrika mbola tsy nisitraka izany. Eo ihany koa ny […]

Beach Volley-Mada: nisongadina ny ekipan’Atsinanana

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Toamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, Beach volley. Nisongadina ny ekipan’ Atsinanana, na teo amin’ny vokatra izany, na teo amin’ny isan’ny mpandray anjara. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy lehilahy, i Anthonio sy i Hasina izay nandresy an’i Nico sy i Willot, tamin’ny seta […]