Ho fampiharana ny didim-panjakana momba ny karama farany ambany isaky ny sokajin’asa ho an’ny orinasa tsy miankina, nanao fidinana ifotony teny anivon’ny orinasa ny « Inspecteurs sy contrôleurs du travail », ny herinandro teo, teto amin’ny faritr’Analamanga. Misy mpampiasa tsy manaraka ilay karama farany ambany voalazan’ny didim-panjakana. Nojerena ihany koa ny fiahiana […]
Taratra
Sehatrasam-panjaka : antoky ny fanjakana tsara tantana ny torohay
Manohy ny adisisika amin’ny fampandaniana ny lalàna momba ny fisitrahana vaovao ho an’ny daholobe eny amin’ ny sehatrasam-panjakana ny Ilontsera. Nisongadina tamin’ ny adihevitra nataon’ireo tomponandraikitra fa antoky ny fiarahamonina milamina ny fisian’ny mangarahara. Miainga any amin’ny tomponandraikitra, amin’ireny biraom-panjakana ireny, nefa ny vaovao tena marina ka tokony ho zo […]
Andro iray tsy misy fandotoana : nisy ny diabe tetsy Mahamasina
Nahitana diabe ho amin’ny ady ateraky ny fahalotoan’ny rivotra nanodidina an’Anosy sy Mahamasina, omaly. Narahina fanentanana sy fampisehoana maro samihafa izany tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Nandraisan’ny tanora, fikambanana, mpiasa isan-tsokajiny teo eo anivon’ny governemanta sy ny maro hafa anjara ny hetsika. Fotoana nahafahana niara-nientana sy nandray andraikitra hisorohana ny […]
Ankoatra ny mari-pahaizana akademika : mila miofana ny mpanabe ahazoana ny diplaoma arakasa
« Fanomezana lanja ny feon’ny mpampianatra mizotra amin’ny fifanarahana ara-tsosialy vaovao ho an’ny fanabeazana » no lohahevitra nentina namarika ny Andro maneran-tany ho an’ny mpampianatra sy ny mpampiofana, ny faran’ny herinandro teo. Napetraky ny Unesco sy ny OIT ny 5 oktobra 1966 io Andro maneran-tany io, izay niompana indrindra amin’ny fanomanana ny […]
Faha-25 taonan’ny CSLA : Klioba valo no tonga namaly ny antso
Nankalazaina teny amin’ny Epp Anosivavaka Ambohimanarina, ny sabotsy lasa teo, ny faha-25 taonan’ ny klioba tolona “Club sportif lutte Ambohimanarina (CSLA)”. Ho fanamarihana izany, nisy ny fifanintsanana izay nokarakarain’izy ireo ho an’ny mpikatroka tolona sokajy zandriny, U13 ary U11, lahy sy vavy. Klioba valo no namaly ny antso tamin’ity hetsika […]




