Tafiditra ao anatin’ny fanatontosana ny fandaharam-potoana omen’ny Federasiona iraisam-pirenena amin’ny taranja atletisma (World Athletic), ny fanomanana ireo ankizy eo amin’ity taranja fototra ity na ny Kids Athletics. Anisan’ny misitraka izany ny eto Madagasikara. Araka izany, hotanterahina anio alarobia, eny amin’ny kianja Alarobia ny fampiofanana ireo olona manodidina ny tontolon’ny atletisma […]
Taratra
Fifidianana filohan’ny FMF : hatao anio ny antsapaka ho an’ireo kandidà dimy
Araka ny lisitra navoakan’ny Ceni eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny talata lasa teo, tao anaty tambajotran-tserasera. Tsy nisy latsaka fa nahafeno fepetra avokoa ireo kandidà dimy hifaninana ho filohan’ny FMF. Hotanterahina anio, eny Isoraka, ny antsapaka hahafantarana ny laharan’ ireo kandidà dimy mirahalahy. Izay nirotsaka hofidina izay […]
INDRAY MIJERY
Mbola misy eto Madagasikara ny aretina habokana. Nihaona tao Fianarantsoa ny mpiantsehatra rehetra miady amin’ny habokana any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, ny faran’ny herinandro teo. Manamafy ny ady atao, nanao jery todika sy nandrafitra ireo paikady. Marihina fa maimaimpoana ny fitiliana sy ny fitsaboana izany eto Madagasikara. Ao anatin’ny fotoana […]
FAMILIANA FIARAKODIA : « Mila hentitra ireo sekoly mampianatra », hoy ny ATT
Nanamafy fiaraha-miasa ny antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tantety (ATT) sy ny sendikà ivondronan’ireo sekoly fampianarana mamily fiarakodia eto Madagasikara. Nodinihin’ny roa tonta ny fanatsarana ny tontolon’ny asa fampianarana mamily fiarakodia. Mila hentitra ireo sekoly mamolavola mpamily mba tsy hitera-doza eo amin’ny fifamoivoizana sy ny asany. Ankoatra ny fampianarana ny teknika, […]
Hopitalim-panjakana: hanatanteraka varavarana misokatra
Hanomboka rahampitso ary haharitra hateloana ny varavarana misokatra tanterahin’ireo hopitalim-panjakana rehetra tsy an-kanavahana manerana ny Nosy. Fisokafana amin’ny rehetra, ahafahana misitraka ny karazana tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana izany. Ankoatra izany, ny fandidiana “hernie” ho an’ireo zaza latsaky ny 5 taona. Eo koa, ny fandidiana ireo manana fahasembanana amin’ny molotra na sima. […]