Nanamafy fiaraha-miasa ny antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tantety (ATT) sy ny sendikà ivondronan’ireo sekoly fampianarana mamily fiarakodia eto Madagasikara.
Nodinihin’ny roa tonta ny fanatsarana ny tontolon’ny asa fampianarana mamily fiarakodia. Mila hentitra ireo sekoly mamolavola mpamily mba tsy hitera-doza eo amin’ny fifamoivoizana sy ny asany. Ankoatra ny fampianarana ny teknika, zava-dehibe indrindra koa ny fitaizana ny toe-tsaina sy ny fampanarahan-dalàna.
Niarahan’ny roa tonta nijery koa ny mahakasika ny fanalana fanadinana ahazoana taratasy fahazoan-dalana mamily fiarakodia, ny famoahana taratasy fahazoan-dalana mamily fiarakodia eto Antananarivo sy any amin’ny Faritra. Ankoatra ireo ny fanaraha-maso ireo taratasy fahazoan-dalana mamily fiarakodia an-tanàn-dehibe sy eny amin’ny lalam-pirenena izay tena mahasarotiny satria tsy ny rehetra no mahafehy izany.
Tanjona iraisana ny fampihenana ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe izay nateti-pitranga tato ho ato. Maro ny mety ho antony ary samy tomponandraikitra amin’ny fanarenana ny rehetra.
Manentana hatrany ny olona maniry haka na hameno ny taratasy fahazoan-dalana hamily fiarakodia izay hananany mba hanatona sekoly fampianarana mamily fiarakodia maka ny andinindininy rehetra fa tsy hanao amboletra any ambadika. Mpamily tsara hofana, antoky ny fifamoivoizana milamina sy ieren-doza no tarigetra.
Tatiana A




