Taratra

Rajoelina Andry : « Hiverina ary hanana ny hasiny ny TVM »

Anisan’ny ho ainga vao ho an’ny Televizionina Malagasy ny fahazoana fitaovana vaovao sy fotodrafitrasa vaovao. Hitarika fomba fiasa vaovao ihany koa ho an’ireo mpiasa ary hitondra vaovao tsara kalitao ho an’ny mpijery. Notontosaina omaly, ny fitokanana ny « studio » vaovaon’ny Televizio­nina Mala­gasy (TVM) sy ny fanolorana ny fitaovana avy amin’ny va­hoaka […]

Fianarana teny tanana : 500 hatramin’ny 600 eo ho eo ny ankizy marenina miditra an-tsekoly

Mbola vitsy amin’ ireo olona marenina na manana olana ara-pandrenesana no tsy man­deha an-tsekoly hatramin’ izao. Olana ny tsy fahafehezany sy ny manodidina azy ny teny tanana. Mahatratra 200 000 isa eo ireo olona marenina na manana olana ara-pandrenesana eto Mada­gasikara, raha ny antontanisa nivoaka farany, ny taona 2017. Miaina […]

FANTINA sy FINTINA

Nametraka ny firotsahan-kofidiny amin’ny anaran’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo rehefa notsipa­hin’ny Ceni ny tsy fahafahany mirotsaka amin’ny vovonana Firaisankina. «Tsy hihemotra aho fa mandroso hatrany. Vonona sy sahy hitondra ny anjara biriky ho fampandrosoana an’i Mahajanga tanàna nahabe», hoy izy. Nahitsy ny filoha nasionalin’ny antoko Free­dom, Rakotondrazafy Lalatiana, nilaza fa […]

fotodrafitrasa eny ifotony : nitokana izany ny minisitra Andriantsitohaina

Nitokana ireo fotodrafitrasa any amin’ny distrikan’Am­banja ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina. Anisan’ny nisitraka izany ny ao amin’ny kaominina Amba­lahonko, Antsakoamanondro ary Maherivaratra. Notoka­nana ny herinandro teo ny trano fianarana, ahitana fitaovana samihafa, toy ny EPP sy ny CEG. Eo koa ireo trano fidiovana sy […]

Tokotaniben’ny firaisankina

Miroborobo izaitsizy ny diplaomasia malagasy. Ha­tramin’ny kirizin’ny taona 2002, izao vao mipetraka amin’ ny toerana sahaza azy ilay firenena. Tena mipetrapetraka ny paikadin’ny minisitera mpiahy izany. Azo tsapain-tanana ny vokatry ny fahaiza-manao. Ilay minisiteran’ny Rahara­ham-bahiny angamba no anisan’ireo departemanta vitsy dia visty ahitam-bokany avy hatrany amin’ilay governemanta. Tsy sanatrian’ny vava, […]