Taratra

TSELATRA

Hotohoton’ny afo ny trano miisa roa tao amin’ny fokontany Madiotsifafana, distrikan’Ambatondra­zaka, omaly maraina. Nivadika ho lavenona avokoa ny entana rehetra toy ny fanaka sy ny fahitalavitra. Tsy nisy tao an-toerana ny tompon-trano tamin’ny fotoana nisehoan’ny afo. Nie­zaka nifehy ny firehetana ny fokonolona saingy nanao sarotra izany. Jiolahy telo lahy nandroba […]

Ambohimangakely : mpampianatra tratra namaky trano

Hatolotra ny fampanoavana ireo mpampianatra roa lahy miampy lehilahy iray hafa voarohirohy ho tompon’antoka tamina famakiana trano fitehirizana entam-barotra teny Ambodivoara, fokontany An­dranovao Ambohimangakely. Nanaovana ombay mitady ny ankizy kambana roa lahy izay tsy hita ny 22 septambra 2023 lasa teo. Nentin’ireo mpampianatra ireo niara-nanao asa ratsy taminy anefa ireo […]

Noho ny herisetra : nampamonoany jiolahy ny vadiny

Raim-pianakaviana iray 45 taona manan-janaka roa no saika namoy ny ainy rehefa novelesin’ny jiolahy ny hazobe teo amin’ny lohany teny Andranomanalina, afakomaly hariva. Vaky mihitsy ny lohany, araka ny fanazavan’ireo olona nahita ny zava-nisy teny an-toerana. Miasa mivarotra brokatera ny asan’ity raim-pianakaviana niharam-boina ity. Avy niasa izy tamin’io fotoana io […]

Fifandonana nahery vaika : dahalo mpaka an-keriny roa lahy rotiky ny bala

Nifanenjehana tamin’ny fokonolona sy ny zandary, maty voatifitra ny mpaka an-keriny roa lahy saika hanatanteraka ny asa ratsiny tao Tsaratanana, afakomaly. Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny kaominina Keliloha, distrikan’i Tsa­ratanàna, afakomaly. Niko­non­konona asa fakana an-keriny indray ny dahalo raindahiny. Tsikaritry ny fokonolona anefa ny fisian’ireo olon-dratsy ireo tao amin’ny kijanan’i […]

Judo-« Tournoi de Venelle » : laharana fahadimy ny Diaspora malagasy

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Venelle Fran­tsa, ny fifaninanana “Tournoi International de Venelle” isam-bondrona, taranja Judo. Nandray anjara tamin’izany ny Diaspora malagasy, sokajy lehilahy. Raha ny vokatra, teo amin’ny laharana fahadimy no nisy azy efatra mirahalahy, rehefa raraka teo amin’ny ampahefa-dalana. Azo lazaina ho tsara ny fanombohana ho an’ny […]