Taratra

«Jalsa Salana 2024» : niombom-bavaka ny mpino silamo Ahmadiyya

Tontosa ny sabotsy teo, teny amin’ny foiben-toeran’ny mpino silamo Ahmadiyya Andavamamba, ny fihaonambe isan-taona faha-18 na ny «Jalsa Salana» 2024. Naha­ri­tra telo andro ny fihaonana. Nisy ny fotoam-pivavahana niarahan’ireo mpino silamo Ahmadiyya rehetra, narahina fampianarana sy fanamafisana hatrany ny firahalahiana. Araka ny fanazavan’ny misionera, Ahmed Mudassir, ny rafitry ny Jalsa […]

Département du Vendée : nitsidika teny Fieferamanga

Nihaona tamin’ny minisitry ny Mponina, Razafinjato Aurélie, ny delegasionina avy amin’ny Département du Vendée Frantsa, izay notarihin’ny filohan’ny filankevitra, Alain Leboeuf. Niara-nijery vahaolana ho fampivoarana ny maha olona amin’ny alalan’ny fihariana, sehatry ny fiompiana sy fambolena mitondra amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo, ny roa tonta. Niara-nitsidika ny ivontoerana natao handraisana ireo olona […]

Nifin’Akanga : hiarovana ny ain-dehibe ny fampitsaharana vohoka ara-medikaly

Manohy ny adisisika handaniana ny lalàna mahakasika ny fampitsaharana vohoka tsy mahafaty ny Nifin’Akanga. Fiarovana ny ain’ny renim-pianakaviana sy isorohana ny fanalan-jaza antsokosoko mitera-doza izany. Nanamarika ny Andro iraisam-pirenena mom­ba ny zo hisitraka ny fampitsaharana vohoka tsy mahafaty ny Nifin’Akanga, ny faran’ny herinandro teo, tetsy Soarano. Samy nanamarika ny hetsika […]

Futsal – « Mada 2024 » : Ekipa 10 isan-tsokajy no hifanintsana

Hotontosaina eto Anta­nanarivo, ny 28 oktobra hatramin’ny 3 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra anaty efitrano “Futsal”, sokajy U13, U15, U17 ary ny zokiny Vétérans sy ny Super vétérans. Amin’ity andiany voalohany ity, nilaza ny filohan’ny Kaomisionina misahana ny futsal sy ny beach […]

Baolina kitra – D2 Nasionaly : Tafita any amin’ny PFL ny FC Avenir du Sud sy ny FC Theo

Nifarana omaly, teny amin’ny Kianja Elgeco plus By-pass, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa nasionaly, « World Cola Ligue des Champions ». Nahazo ny laharana voalohany ny FC Avenir du Sud. Efa fantatra avokoa ny anaran’ireo klioba tafita any amin’ny diviziona voalohany «Pureplay Football League (PFL)». Nahazo ny tapakila […]