Taratra

Antoko Arema, Ratsiraka Annick : “Hitanila ny fifidianana ary tsy hangarahara”

Nitondra ny heviny sy nanazava ny toe-draharaham-pirenena tany Mahajanga, ny herinandro teo, ny sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsi­raka Annick. Anisan’izany ny momba ny fifidianana. “Hi­tanila ny fifidianana ary betsaka ny tsy mazava. Eo an-tananan’ny olom-bitsy tanteraka koa ny fitantanana ny firenena”, hoy izy. Nohazavainy tamin’izany ny antony nisintonan’ny Arema ny filatsahan-kofidiny […]

Mahay milalao !

  Henjana ilay Malagasy mpanao politika ! Izay vahoaka mpanara-dia, indrindra ny manao am-po no tena fanina. Jereo anie ity lisitra farany navoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Saika ireo niara-nitondra hatrizay ihany no nahafeno fepetra. Anjakan’izy ireo Madagasikara. Ny mpiray latabatra rahateo tsy mifamono izany. Firy tamin’ireo no nilaza […]

Vita ny antsapaka : miroso ny fanatanterahana fifidianana

Fanajana ny didy aman-dalàna, fangaraharahana amin’ny fitantanana fifidianana, tsy fitanilana. Izay no nanaovan’ny Ceni ny antsapaka teny Alarobia, omaly, amin’izay ho filaharan’ny kandidà amin’ny biletà tokana, tabilao fampielezan-kevitra, fandraisam-pitenenana amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Taorian’ny antsapaka na­trerahan’ireo kandidà na ny solontenany, no­ha­zavain’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, ny dingana amin’ny zotram-pifidianana. Lasa […]

TSELATRA

Mpanao taxi-moto ilay lehilahy hita faty teny Mahabo Andoharanofotsy ny sabotsy lasa teo. Nanokatra ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Nosimbain’ireo mpamono olona ny tarehin’io lehilahy io ary nofonosany tao anaty harona plastika. Nariana tao anaty tatatra misy honahona ny vatana mangatsiaka ka ny fokonolona no nahatsikaritra azy. Lasan’ny jiolahy ny […]

Ampefiloha: trano 31 kilan’ny afo, may ny biby fiompy

Nivadika lavenona ny tra­no 30 mahery teny Ambo­dirano Ampefiloha, omaly tolakandro. “May avokoa ny trano hazo 31 ary kila ny kisoa efatra”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny fokontany Ambodirano Ampefiloha, Razanadramia­dana Nirina. Nahandro sakafon-kisoa toy ny fanaony ny iray tamin’ny fokonolona eny an-toerana tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro. Nandeha naka […]