Taratra

FANTINA sy FINTINA

Miantso ny vahoaka ho tony lalandava ny AKFM, araka ny fanambarany. Tsy hanaiky ho voasariky ny fihantsiana ny vahoaka. Matoky ny antoko fa vahoaka mandray andraikitra ny Malagasy, mahatsapa izay fantany fa tokony hitantana ny firenena. Manentana koa ny olompirenena tsirairay hanefa ny adidiny ka ho tonga hifidy amin’ny 9 […]

Minisitra Ramaholimasy Pierre Holder: “Aleo ny vahoaka hiteny amin’ny fifidianana”

“Aleo ny vahoaka no hiteny amin’ny alalan’ny fifidianana amin’izay ho filohan’ny Repoblika”, hoy ny minisitry ny Fananantany sy ny fanajariana ny tany, Ramaholimasy Pierre Holder, tamin’ny fizarana karatany tany Ambanja, afakomaly, manoloana ny fiatrehana fifidianana. Eo an-tanan’ny vahoaka malagasy ny fahefana. Raha ny firotsahana ho filohan’ny Repoblika, isaky ny dimy […]

Tsy ranon’Ikopa !

  Nakotrokotroka ny fametrahana ny vovonana Union des Pro Andry Rajoelina na ny UPAR. Natao ivondronan’ireo mpanohana ny filohan’ny Repoblika teo aloha. Tsy nanavahana sokajin’olona fa nanamafisana ny hery velona rehetra vonona ny hampandany azy indray amin’ny fotoam-pitondrana faharoa. Namerenana am-bala ireo nisintaka. Nanambatambazana ireo nahatsiaro tena ho voahilika. Fotoana […]

Fiatrehana fifidianana : nikaton-trano niaraka amin’ny FFKM ireo kandidà 12

Mitohy ny fihaonan’ireo kandidà 12 amin’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana. Anisan’ny efa nihaona tamin’izy ireo, ny herinandro teo, ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa anisan’ny efa nihaonan’ireo kandidà, ny herinandro teo, ny arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Raolison Jean de Dieu avy amin’ny Ekar sy ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, avy […]

Ampahibato – Alasora : jiolahy roa lavon’ny zandary, basy roa tratra

Rotiky ny balan’ny zandary avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava Fia­danana teny Amboniandre­fana, fokontany Ampahibato, kaominina Alasora, ny alarobia alina teo ireo jiolahy roa. Teo am-piomankomanana hanao fanafihana ireo jiolahy no nifanehatra tamin’ny zandary. Efa nahazo loharanom-baovao mialoha rahateo ny zandary momba ny fisian’ireto jiolahy mikasa hanao fanafi­hana mitam-piadiana […]