Efa nitomany tao anaty lavapiringa, avotra ihany, ny zaza menavava tao Anosy Avaratra, omaly maraina. Naharay antso avy amin’ny tsara sitra-po ny zandary ao Sabotsy Namehana fa mahare feon-jazakely mitomany tsy mijanona ao anaty lavapiringa izy ireo. Nidina ifotony teny anivon’ny fokontany voalaza ny mpitandro filaminana niampy ny mpitsabo ao […]
Taratra
Mpianaka novonoina: vehivavy voatsatok’antsy, zazalahy kely nokendaina
Mampihorinkoditra!Mpianaka norobain’ny jiolahy ny sabotsy alina lasa teo. Notsatohana antsy ny tendan’ ilay vehivavy, nokendaina tamin’ny lamba ny zanany lahy vao telo taona. Vehivavy 30 taona sy ny zanany lahy teo taona sy tapany no hita faty nihosin-dra tao an-tranony ao Avaratsena, kaominina Ambohimandroso Gara, distrikan’Antanifotsy, faritra Vakinankaratra, ny sabotsy […]
Jly Rakotoarijaona Josoa : “Vonona hiaro ny safidim-bahoaka ny Foloalindahy”
«Mandalo kihon-dalana lehibe ny firenentsika ankehitriny dia ny fiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Zava-dehibe ho anay ny hahafantaran’ny vahoaka malagasy hiaro ny vahoaka, indrindra ny safidim-bahoaka», hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, tamin’ny lanona-miaramila fanolorana faneva ireo jeneraly 36, taona 2022, teny amin’ny Vondron-tafika mpilatsaka an’elonaina, Ivato, […]
Tohan’ny orinasa Star : nahazo rano fisotro ny fokontany Ankidondona Ambatolampy
Notokanana ny 6 septambra teo ny siniben-drano sy ny paompy miisa enina ho an’ny fokontany Ankidondona II Ambatolampy, toerana ahitana ny ozinina lehibe indrindra an’ny orinasa Star. Nitarika ny fotoana ny tale jeneralin’ny Star, Marc Pozmentier, notronin’ny manam-pahefana maro any an-toerana. Nambaran’ny ben’ny Tanàna Ambatolampy fa 30 taona tsy nanana […]
VAOVAO TAMBATRA
Tomponandraiki-panjakana ambony iray, monina eny Fort-Voyron no tratra nangalatra ny ranon’ny Jirama. Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny teknisiana, ny herinandro teo, no nahatrarana azy, taorian’ny fitarainan’ny mponina, mikasika ny tsy fahazoana rano eny an-toerana. Mampirisika ho sahy hitoroka, izay mijanona ho tsiambaratelo, ny Jirama. Niverina ny delestazy eto an-drenivohitra, taorian’ny […]