Mitohy ny fizahana fahasalamana tarihin’ny FIVAMI. Notsirihina manokana ny momban’ny aretina diabeta. Tsy mifidy salan-taona ary miteraka fahajambana sy fahasimban’ny voa mety hiafara amin’ny fanaovana hémodialyse ny aretina diabeta, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny AMADIA, ny Dr Haja Ramonjisoa, omaly. Ho fitohizan’ny hetsika efa natomboky ny Fikambanan’ny Vady Miaramila […]
Taratra
Basikety: hilalao any Etats-Unis i M’Madi sy i Lova
Taorian’ny Mondial U19 izay natao tany Hongrie, ny volana jolay lasa teo, manomboka maro ireo klioba any ivelany no mitily Malagasy mpilalao. Anisan’ireo handeha hifindra lasy any Amerika ry Mathias M’Madi sy Andriatsarafara Lovasoa, Malagasy roa mpilalao basikety. Araka ny fikarohana natao omaly, hiaraka hilalao amin’ny Seward Country Saints, sokajy […]
Rallye AMA: foanana noho ny fifidianana
Nanambara, tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny federasiona sport auto Malagasy (FSAM), ny klioba Antananarivo Moto Auto (AMA), ny talata lasa teo, fa tsy hisy ny Rallye karakarain’izy ireo, amin’ity taom-pilalaovana 2023 ity. Noho ny fisian’ny fifidianana ny ho filoham-pirenena tanterahina eto Madagasikara ny anton’izany. Raha tsiahivina, anisan’ireo hiadiana ny ho tompondakam-pirenena ny […]
Sombim-baovao
Notanterahina tany Tanambe, nanomboka omaly, ny fanofanana ireo mpanazatra « pass it back » ho an’ny taranja, rugby. Izy ireo dia voafantina nandritra ny hetsika fandraisana mpanazatra notontosaina ny volana jolay lasa teo. Marihina fa miisa 14 ny mpanazatra hanaraka ity fiofanana mandritra ny efatr’andro ity. Notoloran’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, fankasitrahana […]
Efa mpamerin-keloka: jiolahy roa nifanenjehan’ny polisy teny Andranomanalina
Jiolahy roa indray saron’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’Isotry (CSP4) teny Andranomanalina sy Antohomadinika, omaly maraina. Malaza ratsy amin’ny fanendahana miaro fanafihana ireto jiolahy ireto. Fiaraha-miasa teo amin’ny polisy sy ny fokontany eny Andranomanalina sy Antohomadinika no nahafahana nisambotra ireto jiolahy ireto vao maraina. Nohamafisin’ny polisy rehateo fa jiolahy efa […]