Taratra

Samy nahazo volabe : roa lahy mpisoloky voasambotra

Nitonon-tena ho mahay mamadika vato ho lasa “mercure” ny iray ary misoloky ho mahatafiditra ho mpianatra zandary ny iray. Saron’ny mpitandro filaminana ireo roa lahy mpisoloky ireo, ny faran’ny herinandro teo. Nokarohin’ny mpitandro filaminana rehefa nahazoana fitarainana avy amin’ny olona maromaro, ny fisian’ny lehilahy iray mitonon-tena ho manam-pahaizana manokana mamadika […]

Morafenokely Maevatanana : nohavaozina ny biraom-pokontany

Vita tanteraka, ny sabotsy teo, ny fanavaozana ny biraom-pokontany ao Morafenokely Maevatanana rehefa tsy nisy fanatsarana nandritra ny 40 taona nijoroany. Nandray an-tanana ny asa rehetra ny fi­kam­banana Zarasoa. Anke­hitriny, voaloko tanteraka ny birao, voasolo ny valintafo sy ny rakotany, nosoloina avokoa ireo varava­rana rehetra. Na­siana takelam-pamantarana ny biraom-pokontany raha […]

VAOVAO TAMBATRA

Eo anelanelan’ny 6%-9% ny fiakaran’ny vidim-piainana mandritra ity volana septambra ity, araka ny vinavinan’ny roa ampahatelon’ny banky eto Mada­ga­sikara. Vinavinain’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) fa ho 8% ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainaa amin’ity taona ity, noho ny fiantraikan’ny vidin-tsolika, ny tahan’ ny fifanakalozana vola vahiny ary ny mety ho fiakaran’ ny […]

injenera vaovao 97: hitondra ny anjara birikiny

Miampy 97 indray ireo injenera navoaka’ny Sekoly am­bony momba ny hay famokarana sy ny Zava-boary (ESSA) eny anivon’ny Oniversiten’An­tananarivo. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma teo ireo andiany « Andrarangy, Mahasedra ». Vondrona manam-pahaizana sy hitondra ny an­jara birikiny amin’ny fampandrosoana ny famokarana. Matoky, araka izany, ny minisiteran’ny Fambolena sy ny […]

Ankazobe : may ny manodidina ny alan’Ambohitantely

Niredareda ny afo, omaly, manodidina ny tahirin’ala Ambo­hitantely, distrika Ankazobe. Tonga hatrany amin’ny sisin’arabe ny afo ka sarotra ny fifamezivezena, araka ny loharanom-baovao any an-toerana. Maty tanteraka kosa ny afo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Foibem-pirenena fanofanana teknisian’ny ala (CNFTF) Angavokely. Tafiditra tanteraka anatin’ny vanim-potoan’ny haintany isika izao, fotoana mampirongatra […]