Hivoaka ny sabotsy izao ny lisitra ofisialin’ireo kandidà afaka hifaninana amin’ny hakazakazaka ho eny Iavoloha. Andrasana ny ho fanapahan’ny etsy Ambohidahy amin’ireo kandidà miisa 28 ka nahafeno ny fepetra. Telo ireo filoha efa nitondra ary samy kandidà avokoa izy ireo amin’izao fotoana izao sy ny taona 2018: Andry Rajoelina; Ravalomanana […]
Taratra
Firotsahana ho kandidà: nihemotra tamin’ny fotoana farany i Masy Goulamaly
Nampahafantatra tamin’ny fotoana farany, omaly hariva, ny depiote, i Masy Goulamaly fa nosintoniny ny filatsahan-kofidina tetsy amin’ny HCC, Ambohidahy. “Mampahafantatra ny vahoaka malagasy tsivakivolo, fa nataony noho ny fanamafisana ny sonia efa natao. Eo koa ny fanajako ny lalàna misy eto amin’ny firenena“, hoy izy. Nampahery ireo mpanohana rehetra ny […]
Nikasa hamono olona: lehilahy iray nosamborin’ny polisy
Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana ataon’ny polisy, ny lehilahy iray nikasa hamono olona tao Morondava, omaly. Tao Tsimahavaokely no nitrangan’ity raharaha fikasana hamono olona ity. Nikasa hamono ny havany ity lehilahy ity noho ny olana teo aminy sy ny fianakaviany. Tsy fifanarahana teo amin’izy samy mpihavana, araka izany, no antony […]
Fampidirana mpianatra garabola Mila omanina ara-tsaina ny ankizy madinika
Nitondra fanazavana ny psychologue , Rajaonarivnyo Holitiana, mikasika ny fanomanan-tsaina tokony hatao amin’ny ankizy madinika vao hisantatra ny sekoly. Mitaky fanomanana ara-tsaina mialoha be ny fampidirana ny ankizy madinika any amin’ny garabola, izay isantarany ny lakilasy. Manomboka eo no isarahany amin’ny ray aman-dreniny voalohany, ialany amin’ny tontolo mahazatra azy ary […]
Ivontoeram-pikarohana momba ny fanafody: tsy manaiky hakana ny tany misy zava-maniry hitsaboana
Misy olon-tsotra mangataka ny velaran-tany 9 000 m2 anatin’ny faritra misy ny Ivontoeram-pikarohana mahakasika ny fanafody (Cnarp). Mirongatra amin’izao fotoana izao ny fangalarana ny tany ampiasaina ho an’ny fikarohana eto Madagasikara ka tsy manaiky izany ny minisiteran’ny Fampianaran ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa eo […]