Nahavita ezaka lehibe ny FFKM na efa tara aza, amin’ny hanaovana dinika mialoha ny fifidianana, araka ny nambaran’ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanovana ifotony (Hiffim), Andriamiseza Alain, omaly. Nambarany fa tokony hatsangana ny rafitra vonjimaika handaminana ny fiainam-pirenena sy ny olana rehetra. Nametraka ny dosie-ny Razafintsiandraofa Brunelle teny amin’ny HCC, […]
Taratra
Pasitera Mailhol : “Ara-dalàna ny Ceni sy ny HCC matoa mirotsa-kofidina ny mpanohitra”
“Ny antoko mpanohitra milaza hoe tsy ara-dalàna ny Ceni sy ny HCC. Nefa mirotsa-kofidina ry zareo. Ny dikan’izany, ara-dalàna ny Ceni sy ny HCC matoa manaiky hirotsa-kofidina ry zareo. Inona no hirotsahan-kofidina raha lazaina hoe tsy ara-dalàna ny Ceni sy ny HCC? Ekena ho ara-dalàna ireo, matoa mirotsa-kofidina ireo kandidà. […]
Tsara fiafara
Hifarana rahampitso ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, atao eto Madagasikara. Nizotra tamim-pilaminana izany tamin’ny ankapobeny. Samy afa-po ny ankamaroan’ny mpandray anjara, indrindra ny vahiny. Marina fa tsy misy ny tonga lafatra, misy ny indro kely saingy tsy nahasakana ny lalao izany. Azo lazaina fa tsara fiafara ny zava-drehetra na […]
Depiote IRD 111 : Mangataka ny filoha Rajoelina ho kandidà
Isan’andro ary ny sehatra rehetra. Tohivakana ny antso sy fangatahana ny firotsahan-kofidin’ny filoha Rajoelina Andry. Anisan’izany ireo depiote miisa 111 sy ireo loholona miisa 16. Nanao fanambarana tetsy amin’ny foiben-toerany, etsy Ivandry, ireo depiote IRD miisa 111, sy ny tsy miankina GPR ary ireo loholona miisa 16, omaly. Nahatsapa izy […]
TSELATRA
Niharan’ny fanolanana teny am-piadrasana vorona ny ankizivavy roa tao Angoja, kaominina Ambatosoratra, distrikan’Ambatondrazaka, ny herinandro lasa teo. Efa-dahy ary nisy tsy ampy taona nanampatra ny filan-dratsiny tamin’ireo roa vavy.Nirahana hiandry omby izy efa-dahy ireo kinanjo tratra namoa-doza. Dahalo mpangalatra omby roa lavon’ny mpitandro filaminana tao Antsirabe, omaly maraina. Nifampitifitra tamin’ny […]