Mpitondra moto sy mpitondra bisikileta nifandona teo Ambohimahitsy-Ambohimangakely, omaly tamin’ny 5 ora hariva. Nandeha mafy ny moto ka nifatratra tampoka tamin’ilay bisikileta. Samy tsy nahatsiaro tena vokatry ny dona mafy nahazo azy ny roa tonta ka nentin’ireo nanatri-maso namonjy ny CHRD Ambohimangakely. Saron’ny zandary ireo mpivady nanao sarintsarina fakana an-keriny […]
Taratra
Depiote tra-doza: vehivavy 76 taona, maty voadonan’ny 4×4
Maty tsy tra-drano ny vaviantitra iray, 76 taona, omaly. Voadonan’ny fiara 4×4, nentina depiote, hamonjy hetsika politika izy. Mikasa hanao raharaham-pihavanana ny roa tonta. Namoy ny ainy teo no ho eo ny renim-pianakaviana iray 76 taona voadonan’ny fiara nentin’ny solombavambahoaka iray, omaly. Tra-doza teo amin’ny lalam-pirenena faha-12, PK 134 + 278, […]
Fanaraha-maso ny zavamaniry : hiara-hiasa ny FAO sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana
Tetikasa hiompana amin’ ny fanaraha-maso ireo aretina mianjady amin’ny zavamaniry sy ny tontolo anaty ala izay tena anisan’ny mamotika ny tontolo iainana. Ireo no handrafitra ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fambolena sy ny famokarana (FAO) sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Natao ny alatsinainy teo […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa roa ny milina « electropompes »-n’ny Jirama amboarina eny Mandroseza. Tsy mbola miverina amin’ny laoniny, noho izany, ny famatsian-drano eny amin’ny faritra maromaro eto an-drenivohitra. Toy ny eny Ivandry, Analamahitsy, Ambohitrarahaba, …, Soavinandriana, Amboditsiry, Anjanahary, Manjakaray, Faravohitra, Fort Voyron, sns. Hanomboka rahampitso ka hatramin’ny alahady 1 oktobra izao ny […]
Fari-dranomasina: hapetraka ny drafi-panajariana
Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny fandrindrana ny fampiasana ranomasina, hiadina amin’ny fanararaotana ny harena an-dranomasina sy ny fivezivezena tsy ara-dalàna eto amintsika, izay mahatonga loza samihafa. Hapetraka ny drafi-panajariana ny fari-dranomasina manerana ny Nosy, handrindrana ny fihariana isan-tsokajiny mifandraika amin’izany. Tetikasa iarahana amin’ireo mpisehatra an-dranomasina samihafa. Hampitomboina, manaraka izay, ireo […]




