Taratra

Herisetra ara-nofo : mpianatra roa vavy naolana dimy lahy

Mpianatry ny oniversite roa vavy nanamparan’ny dimy lahy ny filan-dratsiny tao Toamasina. Nitsoaka ireo nahavanon-doza. Voaambana antsy sady naolana ny mpianatra roa vavy avy ao amin’ny oniversite Barikadimy, tao amin’ny moron-dranomasina ambadiky ny arabe Ratsimilaho, ny 27 aogositra teo. Avy nanao fanadinana izy roa vavy. Nifampitarika teny amoron-dranomasina haka rivodrivotra […]

Mpamerin-keloka : jiolahy iray maty voatifitry ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisy ny jiolahy iray tao amin’ny fokontany Morafeno Vangaindrano, afakomaly. Azo sambo-belona kosa ny jiolahy iray namany voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra sy fanafihana mitam-piadiana. Nahazo loharanom-baovao ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Vangaindrano momba ny fisiana andian-jiolahy mikasa hanafika ao amin’ny fokontany Morafeno. Tsy niandry ela ny […]

Nampitandrina ny Emmo/Nat: tsy mila korontana ny vahoaka malagasy

« Ankatoky ny fifidianana isika izao, mihorohoro ny sain’ny rehetra. Eto izahay mpitandro filaminana hiaro ny andrimpanjakana sy ny vahoaka », hoy ny lehiben’ny fibaikoana ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakotondrazaka Andriantsarafara. Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena eto amin’ny firenena amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Manoloana izany indrindra, nampitandrina ny teo anivon’ny Emmo/Nat (Etat-Major mixte […]

Fanondranana volamena : miankina amin’ny saram-pitaterana ny sanda ara-bola

Miditra tsikelikely amin’ny fampidirana ny volamena eto Madagasikara ho azo aon­drana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny fanjakana. Fepetra telo no hamaritana ny sandan’ny volamena ara-bola. Voalohany, miankina amin’ny fahadiovan’ny volamena (ma­nodidina ny 99,99%), araka ny fepetra takian’ny tsena iraisam-pirenena mifehy ny volamena, ny London Bullion market Association (LBMA). Faha­roa, miankina […]

Fampandrosoana : natsangana ny drafitra ho an’ny 2024-2028

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny rafitry ny firenena mikambana eto Madagasi­kara. Manamafy izany ny drafitra vaovao momban’ny fampandrosoana lovainjafy na ny « UNSDCF 2024-2028 » izay natao sonia, tetsy amin’ny Carlton, omaly. Nisolo tena ny fanjakana malagasy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo […]