Taratra

Sekoly tsy miankina : tsy mahatratra 50% ny nahavita fisoratana anarana

Sanganehana ireo talen-tsekoly manoloana ny isan’ny ray aman-dreny nanoratra ny zanany hiditra an-tsekoly ho an’ny taom-pianarana vaovao. Mihamihena isan-taona ireo mahafeno fepetra nefa ny hofan-trano sy ny karaman’ny mpampianatra tsy maintsy efaina. Roa andro mialohan’ny fotoam-pidirana amin’ ny taom-pianarana vaovao 2023-2024, mbola vitsy ny ray aman-dreny nahavita ny fisoratana anarana […]

Karate : nandraoka medaly volamena 5 ny Malagasy

Tsara fanombohana ny taranja karate, ao anatin’ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, tontosaina etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Medaly volamena 5 sy alimo iray no norombahan’ny karateka malagasy, tamin’ity andro voalohany ity. Tsiahivina fa famaranana 6 no nitranga omaly ka fandresena 5 no azon’i Madagasikara. Ny teo amin’ny sokajy Kumite, vehivavy, […]

Lutte libre isan-tarika lahy sy vavy: nifampizarana ny medaly volamena

Nozarain’i Madagasikara sy i La Réunion ary i Maurice, ny medaly volamena teo amin’ny «lutte libre » isan-tarika lahy vavy, teo amin’ny andro farany notanterahina omaly, teny amin’ny kianja mita­fon’Ankorond­rano. Lasan’ny Malagasy avokoa ny teo amin’ny sokajy 74 kg, nahitana an’i Bienvenu, i Jessy sy i Joe ary Mitantsoa, ni­ampy an’i […]

Baolina kitra : hanao famaranana amin’i Madagasikara i La Réunion

Nahazo ny tapakila hiadiana ny medaly volamena ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Resin’izy ireo teo amin’ny manasa-dalana i Comores. Toy ny tamin’ny taona 2007 ihany ny famaranana ny taranja baolina kitra ho an’ity lalaon’ny Nosy ity. Hiverina hifanandrina amin’i La Réunion indray i Madagasika­ra, ny sabotsy 2 septambra ho avy […]