Nanamarika ny faha-43 taona nijoroany teny Ivato, ny talata teo, ny fivondronamben’ny manana mari-pahaizana ambony indrindra eo anivon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika eto Madagasikara (CPTPM). Haharitra 3 andro ny fanamarihana izay handinihana lohahevitra marolafy. Vaindohan-draharaha amin’izany ny fanarenana ny fampianarana ambony izay latsaka an-katerena ankehitriny. Hivoaka amin’ny fehin-kevitra […]
Taratra
Mpianatry ny ENS : fifanarahana arak’asa 814 hozaraina
Navoakan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena ny momba ny fifanarahana arak’asan’ireo mpianatra nivoaka avy ao amin’ny Ecole normale supérieure (ENS) nangataka hiditra amin’ny asa fampianarana eo amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Voalazany fa 814 ny fifanarahana arak’asa sy ny didim-pitondrana vita, 39 mbola eo anivon’ny «contrôle financier», 19 nahitana tsy fahatomombanana, 54 fitarainana, 24 […]
Fivorian’ny OMS Afrika : nisongadina ny tsy fahampian’ny “paramédicaux”
Maneran-tany mihitsy ny tsy fahampiana “paramédicaux” miasa eny amin’ny tobim-pahasalamana. Izy ireny indrindra anefa no tena akaiky ny marary sy mikarakara azy ireo. Nanomboka ny alatsinainy lasa teo, ary haharitra hadimiana ny fivoriana faha-73 tontosain’ny vaomieram-paritry ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) aty Afrika, tanterahina ao Botswana. Hozaraina […]
Seho sehatra ho an’ny tanora: nifarana ny hetsika, nalai-nisaraka ny mpandray anjara
Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Arena Ivandry, ny seho sehatra ho an’ny tanora ato anatin’ity lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, atao eto Madagasikara, ity. Telo andro no nanatanterahina ny hetsika saingy feno firaisan-kina sy firahalahiana tokoa ny fifandraisan’ireo tanora mpandray anjara. Niray feo ireo tanora nanambara fa tombony lehibe […]
Atletisma: noporofoin’i Sidonie ny maha andrarezina azy
Na tsy salama aza i Sidonie Fiadanantsoa, mbola norombahiny ny medaly volamena teo amin’ny 100 m misy fefy, vehivavy, taranja atletisma. Andro faharoa notanterahina omaly alarobia, tetsy amin’ny kianja Alarobia. Tontosany, tao anatin’ny 13 s 14 ampahazatony izany. Nifampitady hatrany am-piaingana izy sy ilay rénionais, i Esther Conde Turpin, tonga […]