Taratra

TSELATRA

Niakatra fitsarana omaly, tao amin’ny efitra fahadimy, Lapan’ny Fitsarana Anosy, ny raharaha Ntsoa VHF. Tonga tao an-toerana ireo voampanga ka anisan’izany ilay renim-pianakaviana iray voalaza fa sakaizan’i Ntsoa. Teo koa ilay mpa­mily sy ireo niray tsikombakomba taminy. Nahemotra amin’ny fotoam-pitsarana manaraka izany satria tsy tomombona ny pitsopitsony ara-pitsarana teo amin’ny […]

Mpirafivavy niady an-tsena: raim-pianakaviana voatsatok’antsy

Naratra mafy ny lehilahy iray, voatsatoka antsy tamin’ny talata alina. Telo andro taorian’ny niadiavan’ny vehivavy roa samy sakaizany teny an-tsena. Asa, misy ifandraisany izany ? Tovovavy roa mpirafivavy samy sakaizana raim-pianakaviana iray no nifandramatra sy nifampito­lona, tao amin’ny fokontany Andranomadio Toamasina, tamin’ny sabotsy. Nitangorona ny fokonolona nahita azy ireo nifampisaringo-bolo sy […]

Sempama : tsy manaiky ny hanaovana fitaovana politika ny fanabeazana

Nanao antso avo ho an’ireo hitantana ny firenena mandritra ny dimy taona manaraka ny Kaofe­derasionina sendikaly Sem­pama, raha niresaka tamin’ny mpanao gazety tetsy Ambo­hijatovo, omaly. “Latsaka an-katerena tanteraka ny fanabeazana, izay kitro ifaharan’ny fampandrosoana”, hoy Raha­rivohatra Claude, filohan’ny sempama. Mitaky ary tsy manaiky hanaovana fitaovana politika ny fanabeazana sy fampianarana […]

Tenisy – “ITF World Tour Juniors” : hatao eto Madagasikara ny fifaninanana

Hampiantrano fifaninanana iraisam-pirenena miisa roa ny Federasiona malagasin’ny tenisy (FMT). Hotanterahina eny amin’ny kianja Club Olym­pique de Tananarive (COT) Ilafy, ny “ITF World Tour Juniors”. Fihaonana natokana ho an’ireo mpilalao latsaky ny 18 taona, lahy sy vavy. Manana ny lanjany lehibe izy ity satria hahazoana isa eo amin’ny filaharana iraisam-pirenena. […]

SOMBIM-BAOVAO

Karate. Lany hitantana ny seksiona Karate-do Ambatondrazaka, Randriamahanoro Nirina Willy. Fifidianana notontosaina, omaly, tao amin’ny DRJS Ambatondrazaka, ka klioba 5 no tonga nandatsa-bato. Ny 6 oktobra izao no hanaovana ny fifidianana eo anivon’ny ligin’Alaotra Mangoro. Basikety “Road to BAL”. Tsy ho avy eto Madagasikara hiatrika ny dingana voalohan’ny fifanintsanana amin’ny […]