Taratra

Taranja tenisy: nampian-dRanaivo Mialy iray ny medaly volamena

Nafana tanteraka ny lalao famaranana, lalao ho an’olon-tokana “simple”, lahy sy vavy tetsy Ambohidahy, omaly. Lasan’i La Réunion ny volamena teo amin’ny sokajy lehilahy, raha toa ka azon’i Madagasikara izany ho an’ny vehivavy. Notanterahina tetsy amin’ny Acsa Ambohidahy, omaly 30 aogositra, ny lalao famaranana ho an’ny taranja tenisy ho an’olon-tokana […]

Sombim-baovao

Hifanandrina anio, etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, i Comores sy i Madagasikara, taranja baolina kitra. Manasa-dalana amin’ny lalaon’ny Nosy 2023, andiany faha-11, ity atao ity. Ny Barea de Madagascar, efa fantatra fa tsy afaka mampilalao an’i Fabien Boyer, Malagasy vodilaharana noho ny resaka “accréditation” roa. Naharitra ora 3 sy 30 […]

Tsipy kanetibe – «Tir de précision»: namotsotra medaly volamena roa ny Malagasy

Tontosa omaly, teny amin’ ny kianja Vontovorona ny fiadiana ny medaly volamena, teo amin’ny «tir de précision», fifaninanana mitifitra eo amin’ny taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy sy vehivavy. Ratsy ny vokatra ho an’ny Malagasy, tsy nisy azon’izy ireo ny medaly volamena, tamin’ity. Teo amin’ny vehivavy, resin’ilay Réunio­naise, Isabelle Riviere, teo […]

Lalaon’ny nosy: Medaly volamena 83, volafotsy 50, alimo 61 ho an’i Madagasikara

Miditra amin’ny andro faha-7 anio, ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Mbola mitarika eo amin’ny laharana voalohany vonjimaika hatramin’izao i Madagasikara amin’ny fahazoana medaly. Tafakatra 83 ny medaly volamena azon’ny Malagasy, taorian’ny andro faha-6, omaly. 50 ny medaly volafotsy ary 61 kosa ny medaly alimo. Mbola eo amin’ny laharana voalohany hatrany […]