Niharan’ny fanendahan-jiolahy nitondra fitaovam-piadiana teny Ampefiloha akaikin’ny fiantsonan’ny taxi-be ny tovolahy roa, afakomaly hariva. Avy nijery lalaon’ny Nosy, taranja basikety, tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina izy roa lahy no nifanehatra tamin’ny jiolahy. Mipetraka eny Ambanilalana Itaosy ireto niharam-boina ireto. Niandry taxi-be ho any Itaosy teo Mahamasina izy ireo saingy […]
Taratra
Renikely nosamborina : nodorany ny tanan’ny zan-badiny
Mitohy ny fanadihadiana ny renim-pianakaviana iray 35 taona voarohirohy ho nanao herisetra tamin’ny zanaky ny sakaizany. Voasambotry ny polisy ao amin’ny kaomisarian’i Sambava izy afakomaly hariva, rehefa fantatra fa nanao herisetra tamina ankizy tsy ampy taona. Naharay fitarainana tamin’ny mponina ny polisy fa misy ramatoa iray mpitazona toeram-pisakafoana manao herisetra […]
Fakana an-keriny : tovovavy 20 taona, natakalo 900 000 Ar
Nalaina an-keriny ny tovovavy 20 taona, ny sabotsy lasa teo. Nitaky vola tamin’ny finday ny olon-dratsy ka nandoa ny fianakaviana. Votsotra ny takalonaina. Olona efatra voasambotra. Nanolotra vola mitentina 900 000 Ar ny ray aman-drenin’ny tovovavy iray vao navotsitr’ireo olon-dratsy ny zanany vavy tao amin’ny kaominina Alakamisy/ Ambohimaha, distrikan’i Lalangina, ny alahady […]
Ramamimampionona Gérard : “Mila jerena izay mety handrehitr’afo eto amin’ny firenena”
“Mila jerena ny an-tsipirian-javatra mety handrehitra afo eto amin’ny firenena, ka hisorohana an’izany amin’ny lafiny rehetra: fotoana, endriny rehetra.” , hoy ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, manoloana ny fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika amin’izao. Raha mandeha ny fifidianana, enimpolo taona izay: toy izao hatrany… Atao ny fifidianana filohan’ny Repoblika, midina amin’ny […]
VTM : « Tsy azo averina intsony izao fitondrana izao »
Hivory sy haka fanapahan-kevitra, ny 8 sy ny 9 septambra izao, ny Vondron’ny tanora (VTM) manoloana ny fifidianana filoham-pirenena. Nambaran’ny filohany, Rakotomalaza Désiré fa hijery kandidà mitovy foto-kevitra amin’izy ireo ny fikambanana ka hanohana sy hampandany izany amin’izany fihaonambe izany. « Tsy te hiaina sy hamerina ny tranga miseho eto amin’ […]