Mampiasa ny fitaovana misy eo am-pelatanana ny CUA amin’ny fanadiovana sy ny fitaterana ireo fako. Anisan’izany ireo “camions multibennes” avy amin’ny governemanta japoney. Enim-bolana taorian’ny nampiasana azy voalohany dia efa nahavita halavirana 40 000Km. Hita taratra amin’izany ny halehiben’ny asa izay sahanina noho ny habetsaky ny fako eto an-dRenivohitra. Taorian’ny haintrano […]
Taratra
Ady amin’ny pesta : mila mailo rehefa misy fambara mampiahiahy
Ao anatin’ny vanimpotoana mampirongatra ny aretina pesta isika hatramin’ny volana avrily amin’ny herintaona. Mila ampitomboina ny fahamailoana sy ny fisorohana. Aretim-boalavo mifindra amin’ny olombelona ny pesta, avy amin’ny bakteria antsoina hoe yersinia Pestis. Ilay parasy no maka ilay otrikaretina any amin’ny voalavo ka manaikitra ny olona ary lasa mifindra amin’ny […]
MPITSABO AVY ANY TURQUIE : nandray marary 200
Noraisin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Randriamanantany Zely, ny masoivohon’i Turquie, Ishak Ebrar Çubukçu, omaly. Misokatra sy mivelatra amin’ny firenena maro ny fanatsarana ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara ary anisany miara-miasa amin’izany i Turquie. Raha tsiahivina dia mpitsabo avy any Turquie no tonga nifanome tanana tamin’ireo mpitsabo tao amin’ny hopitaly Andohatapenaka nandritra […]
Fiofanana homena ny infirmiera: hohavaozina ny fandaharam-panofanana
Hampivoatra ny tontolon’ny asan’ny infirmiera malagasy ny nahatafiditra antsika ao anatin’ny fikambanana aty Afrika ka hisitrahantsika ny fanohanana. Anisan’izany ny fanatsarana ny tolotra fampiofanana ka hampiakatra ny lentan’ny diplaoma malagasy. «Taorian’ny fivorian’ny infirmiera eo anivon’ny firenena 18 atyAfrika (ECSACONM) tany Lesotho, ny 11 ka hatramin’ny 13 septambra lasa teo, nandraisan’ny […]
Fivoriamben’ny Firenena mikambana: hisongadina ny fampanjakana ny fandriampahalemana
Anisan’ny mandray anjara amin’ny fivoriamben’ny Firenena mikambana (AGNU), andiany faha-79, atao any New York, i Madagasikara, amin’ny alalan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Ity AGNU ity izay hotanterahina ny 22 ka hatramin’ny 27 septambra 2024 ho avy izao. “Fiombonana ao anatin’ny fahasamihafana, ho an’ny fandriampahalemana tsaratsara kokoa, fampandrosoana lovain-jafy ary […]




