Tsy araka ny tena nantenaina! Anisan’ny tena niomana fatratra ny hamaroan’ny mpanjifa amin’izao fisian’ny Lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana (JIOI) izao ireo mpivarotra asa tanana sy taozavatra malagasy, etsy amin’ny tsena Pochard Soarano. Nilaza ny mpitondra tenin’ ny fikambanan’ny Art Malagasy miray (AMM), Mbintantsoa, fa efa ela niandrasana ity […]
Taratra
FANTINA sy FINTINA
Namoaka fanambarana ny fikambanana Zanaka Antanala (Zanta), afakomaly, fa tsy manao politika, tsy manolotra sy tsy manohana olona hirotsa-kofidina amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Izay no maha fikambanana tsotra sy amin’ny maha fikambanan-drazana azy, izay ikambanan’ny distrika roa, Ikongo sy Ifanadiana. Koa lavin’ny fikambanana ny fampiasana ny anarany amin’ny fanolorana […]
Fitavozavozan’ny fikarakarana dosie. : handraisan’ny HCC fepetra ireo sampandraharaham-panjakana
Hentitra ny fampitandreman’ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, omaly, teny Ambohidahy, manoloana ny fitarainan’ireo kandidà. « Horaisina ny fepetra sy ny andraikitra amin’ireo sampandraharaham-panjakana mandray sy mikarakara ireo antontan-taratasin’ireo kandidà kanefa mitavozavoza », hoy izy. Anisan’ny notanisainy tamin’izany ny eo anivon’ny fandoavan-ketra (211 bis), ny tahirimbolam-panjakana amin’ny fandraisana ny anto-bolan’ireo kandidà (Tresor), ny […]
Valalabe mandry
Somary mangingina ny tontolo politika. Takon’ny lalaon’ny Nosy. Misoko miadana nefa ny dinika karakarain’ny raiamandreny am-panahy, mitady ny fomba hilaminan’ny firenena. Mandeha tsikelikely koa ny kajikajy any ambadiky ny lampihazo. Ny tompom-pahefana, mitety faritra. Ny mpifaninana efa samy misomebiseby any amin’ ny misy azy any avokoa. Tsy misy mampikoropaka […]
Fihaonambem-pirenena : hametraka paikady amin’ny fifidianana ny Andrimaso FFKM
Nanomboka omaly, ny andro voalohany amin’ny fihaonambem-pirenena karakarain’ny FFKM. Nohazavain’izy ireo ny anton’izany sy ny fandaharam-potoana. Nambaran’ny filohan’ny FJKM, ny mpitandrina, Andriamahazosoa Irako fa natao ny fihaonambem-pirenena mba hahafahana mametraka amin’ny toerany ny Andrimaso FFKM. « Handray anjara mavitrika amin’ny fifidianana anaty fahamarinana isika ka omena aina vao sy natsangana ny […]