Taratra

Ambohidratrimo : nandrotsaka kandidà ny Zam

Nanatitra ny antontan-taratasiny teny amin’ny biraon’ny Ovec Ambohidratrimo, omaly maraina, ny kandidà tsy miankina, Rabary Hery, filohan’ny Zanak’Ambohidratrimo miray (Zam). Izy no voalohany fantatra fa hilatsaka ho ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina Ambohidratrimo. Nilaza ny filohan’ny Ovec eny an-toerana, fa mitazona ny datin’ny 19 septambra ny Ceni Ambohidratrimo hatreto. Nambaran’ny […]

Nandriaka ny ra : Moto nifandona, roa lahy indray maty

Maty tsy tra-drano ireo roa lahy nandeha moto nifandona tao Ampihaviana Antsirabe, afakomaly alina. Mafy ny fifandonana ka samy niara-namoy ny ainy ireo mpitondra moto… Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tao Ampihaviana Antsirabe, afakomaly alina. Moto roa nifandona. Maty tsy tra-drano ireo mpitondra moto roa lahy. Araka ny tatitra nampitain’ny zandary, moto […]

INDRAY MIJERY

« Ho an’ny EPP Ankadinandriana, fokontany Manjakamiadana, mahatratra 17 ny ankizy mpianatra avy amin’ny fianakaviana tena sahirana tsy mandoa vola ho fampidirana ny zanany an-tsekoly », hoy ny talen-tsekoly. 120 kosa ireo ray aman-dreny nangataka fanalefahana ka haloa tsikelikely ny latsakemboka Fram. Manana mpampianatra Fram dimy ny EPP mbola andoavan’ny ray aman-dreny […]

Antsirabe : ambohi-pihaonan’ireo farmasianina

Hatao any Antsirabe ny Andro maneran-tanin’ny Far­ma­sianina, ny 25 septambra izao. Hifanindran-dalana amin’izany ny Herinandron’ny Farmasia ny 26 sy27 septambra. Lohahevitra voizina mandritra ny hetsika ny “Far­masianina: miatrika ny filàna ara-pahasalamana maneran-tany”. Fihaonan’ireo antokon’asa rehetra misehatra ao amin’ny tontolon’ny farmasia miaraka amin’ireo mpianatra ho farmasianina eto Madagasikara ireo 3 andro […]

Fahasalamana manakaiky vahoaka : hisitraka fitsaboana ny eny Namontana

Mitohy ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka ataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Hatao eny amin’ny foibem-pahasalamana Namontana ny hetsika, ny 19 sy 20 septambra izao. Ankoatra ny fizahana ankapobeny, hisy ny fitiliana ny tsimokaretina VIH/Sida sy ny fandraisana an-tanana ireo mitondra izany aretina izany. Eo koa ny fitarafana ho an’ny vehivavy mitondra […]