Tonga nankahery sy nanara-maso ny fivoaran’ny fahasalaman’ireo naratra nandritra ny zava-nitranga teo Mahamasina, teny amin’ny HJRA ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisitry ny Tontolo iainana ary ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika. Nanolotra sakafo mafana ho an’ireo marary, solon-dranom-boakazo sy bodofotsy izy ireo. Herinandro sisa dia hisantatra ny taom-pianarana vaovao […]
Taratra
Autisme Madagascar : hanangona ny mombamomba ireo « autiste »
Hanangona ny mombamomba ireo olona manana toe-tena «autiste» na zaza na ankizy na olon-dehibe manerana ireo masoivoho sivy misy ny fikambanana ny Autisme Madagascar, araka ny fizaram-baovao nataony. Tanjona ny hahazoana lisitra ahafahan’ny fikambanana mangataka amin’ny fanjakana ho tafiditra anatin’ireo mpisitraka ireny karazana fandaharanasa momba ny fiahiana ara-tsosialy ireny. Manentana […]
Luxury Anosiala : mampiofana zaitra avo lenta
Nidina ifotony tao amin’ny orinasa Luxury ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Vavitsara Rahantanirina Gabriella, ny faran’ny herinandro teo. Miavaka amin’ny fahaizany manao zaitra avolenta efa 23 taona ny orinasa Luxury. Manam-pikasana ny mpanorina hamindra ny fitiavana ny tontolon’ny zaitra sy ny famoronana. Antony nanokafan’izy ireo ny […]
Ankazobe : nisitraka jiro sy moto ireo kaominina miisa 15
Nahazo fampitaovana avy amin’ny fitondram-panjakana ny any amin’ny distrikan’Ankazobe. Tafiditra amin’ny fampandrosoana ny eny ifotony sy manakaiky vahoaka izany. Nahazo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy moto avy amin’ny faritra Analamanga ny kaominina miisa 15 ao amin’ny distrikan’Ankazobe. Midina ifotony mitondra fampandrosoana no tarigetran’ny fitondram-panjakana, araka ny nambaran’ireo nandaha-teny rehetra. […]
Sehatra ho an’ny tanora: niakatra an-dampihazo ny avy ao Comores sy Maldives
Notanterahina omaly, teny amin’ny Arena Ivandry, ny seho an-tsehatra ho an’ny tanora, ato anatin’ity lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, ity. Ireo tanora avy ao Comores no nisantatra ny sehatra, narahin’ny avy ao Maldives, ny tontolo andron’ny omaly. Tao anatin’ny hafalina sy haravoana tanteraka no nahatontosan’izany rehetra izany, taratra teny amin’ny endrik’ireo […]