Taratra

TSELATRA

Tovolahy iray maty voahosin’ny kamiao teny amin’ny RN7, PK 152 + 200, tao Bemasoandro, fokontany Bemololo, kaominina Andranomanelatra Antsirabe II, ny sabotsy 26 aogositra teo. Saika hisongona sarety ilay kamiao kinanjo nifaoka tampoka ilay zaza. Olona iray tapaka tanteraka ny tongony. Natoron’ireo jiolahy mpaka an-keriny ny mpitandro filaminana ny toerana […]

Ambohimalaza : mpangalatra moto tratra tao anaty alan-goavy

Noraisim-potsiny tao anaty alan-goavy ny jiolahy nan­galatra moto tao Anta­hikihady/Fidanana, Ambohi­malaza, ny sabotsy lasa teo. Natosiny mangingina ny moto marika Kymco iray tao amin’ny Escale Ambohimalaza nanamorona ny lalam-pirenana faharoa. Nanao fitarainana ny tompon’entana. Nikaroka avy hatrany ny mpitandro filaminana. Hitan’ny tsara sitrapo io lehilahy izay nanosika ilay moto halatra […]

Isotry : mpamaky trano tratran’ny polisy

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany fahefatra Isotry (CSP4), teny Manarintsoa Anatihazo Isotry, afakomaly, ny jiolahy raindahiny amin’ny vaky trano. Nahazo antso tamin’ny vondron’ny fandriampahalemana ao Manarintsoa Anatihazo Isotry ny polisy (CSP4) momba ny fisian’ity jiolahy iray namaky trano ity. Tsikaritry ny tompon-trano ny asa ratsy nataony tamin’io fotoana […]

Rangahy naiditra am-ponja : nanolana zaza vao herintaona sy tapany

Nidoboka am-ponja rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny raim-pianakaviana nanolana zazakely iray taona sy tapany tao Moramanga. Potika tanteraka ny fivavian’ilay niharam-boina… Naiditra am-ponja vonjimaika ny raim-pianakaviana iray nanolana zaza tao amin’ny fokontany Amparafara, kaominina Am­pasipotsy gara, distrikan’i Moramanga, ny faran’ny herinandro teo. Nanararaotra ny tsy fisian’ny olon-dehibe tao amin’ny […]

Vondrona Panorama : “Ilaina ny fanadiovana mialoha ny fifidianana”

“Handray anjara mavitrika amin’io fikaonandoha momba ny raharaham-pirenena karakarain’ny FFKM io izahay, ary manan-javatra hoentina amin’izany. Eo hatrany ny amin’ny fanadiovana tokotany izay tsy azo ialana, indrindra ny mialoha ny fifidianana”, hoy Rakotovazaha Olivier, avy amin’ny von­drona Panorama sady filoha nasionalin’ny antoko MFM, ny amin’ny mety hisian’ny fandaminana mialoha ny […]